Namoaka hafatra ny synaoda lehibe eo anivon’ny FJKM, natao tany Taolagnaro. Nisy antso avo nataon’izy ireo, ho an’ny kristianina sy ny vahoaka malagasy. « Miantso anao ny fiangonana ho amin’ny fahamarinana, ho amin’ny fahamasinana, ho amin’ny fiombonana eo amin’ny sehatra rehetra iantsoan’ny Tompo anao », hoy ny hafatra. Anisan’izany ny asa fanompoana, andraikitra […]
Taratra
Mba mialà sasatra!
Efa hiditra indray izao ny mpianatra. Afaka herinandro vitsy dia raikitra ny hazakazaka arahin-tosika. Fifohazana maraina, fanaterana mpianatra, fitadiavana izay hohanina, sns. Mialoha izany, efa mampivadika atidoha sy mampijaly saina ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly. Volabe tsy tambo isaina no mivoaka amin’ny poketran-dramatoa na rangahy. Tena mijafajafa ny ray aman-dreny. […]
Filoha Rajoelina Andry: « Hanamaivana ny fahasahiranan’ ny vahoaka isika »
Anisan’ny nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, teo am-panombohana ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana. «Miasa mafy hatrany isika hanamaivana ny fahasahiranan’ny vahoaka sy hanatsarana ny fari-piainany», hoy izy. Notsiahiviny fa mpitarika tsy mihemotra ny tenany amin’ny mety hahasoa ny firenena. Notanisainy tamin’izany ny fanarenana ny Rova, […]
TSELATRA
Fasana telo novakin’ny jiolahy tao amin’ny kaominina Alakamisikely, distrikan’Arivonimamo, ny alin’ny talata 19 aogositra teo. Razana am-polony lasibatra ka lasan’ireo tsy mataho-tody ny ankamaroan’ny taolam-balo. Matetika hitrangana vaky fasana ao Arivonimamo tato ho ato. Tsy hipetra-potsiny manoloana ny nahafatesan’ny rahalahiny izay ben’ny Tanàna tao Talata Volonondry ireo rahalahiny, araka ny […]
Nariana amoron-dalana : Ankizilahy hita faty tapa-doha
Niosin-dra tanteraka ary tsy nisy loha intsony, ankizilahy iray hita faty tao amin’ny fokontany Bemelo, kaominina Ianabinda, distrikan’i Betroka, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Naharay antso tamin’ny lehiben’ny fokontany ao an-toerana ny zandary miasa ao Ianabinda momba ny fahitana fatin’olona mampiahiahy tanteraka. Nidina ifotony nanamarina ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. […]




