Lasan’ny olon-dratsy ny moto 4T an’ny raim-pianakaviana iray teny Imerinafovoany, kaominina Talatamaty, ny alin’ny alarobia 20 aogositra teo, tamin’ny 12 ora alina. Nandeha irery tamin’ny moto io lehilahy io. Nisy olon-dratsy tampoka nitoraka azy tamin’ny alalan’ny tapa-biriky. Miisa dimy ireo jiolahy io ka nifandrombaka nidaroka an’io mpitondra moto io. Nosavainy […]
Taratra
Olona efatra migadra : Ankizivavy dimy taona, hatakalo 150 tapitrisa Ar
Avotra teo am-pelatanan’ny mpaka an-keriny ny ankizivavy, dimy taona. Nangataka vola mitentina 150 tapitrisa Ar ireo olon-dratsy. Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambohimandroso ireto farany. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana, afakomaly, ny raharaha mahakasika ny fakana an-keriny ankizivavy kely 5 taona tany Ambohimandroso Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro, ny herinandro lasa […]
Tsipy kanetibe – “Mondial 2025” : Hanoman-tena any Frantsa ny vehivavy
Tsy manao ambanin-javatra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy, ny Federation sport-boule malagasy (FSBM). Mialoha izany fihaonana an-tampony izany, izay hatao ao Douaisis France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao, andeha hanoman-tena mialoha any an-toerana ny ekipa malagasy. Nanainga ny talata lasa […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina any Algerie, ny 14 hatramin’ny 21 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy vehivavy. Hiara-dalana amin’izany koa ny dingana kaontinantaly eo amin’ny “IHF Trophy”. Tsiahivina fa mandray anjara amin’izany ny Akion’i Madagasikara. Ekipa lehilahy 16 sy vehivavy 10 no hifaninana amin’ny fiadiana ny […]
Rugby – “Top 8 Mada” : Hifandona ny TFA sy ny TFMA
Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny alahady 24 aogositra ho avy izao, ny dingana ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Top 8 Mada”. Hiatrika izany ireo ekipa 8 voalohany tamin’ny “Top 12” farany teo, Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fihaonan’ ny TFA Anatihazo (Pilokely) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). […]




