Taratra

“EPM 2025” : Hamoahana angon-kevitra

Hotanterahina manomboka ny volana desambra izao ka hatramin’ny volana marsa 2026 ny fanadihadiana maharitra eny anivon’ny tokantrano (EPM 2025), andiany faharoa, izay karakarain’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF). Fitaovana fototra ahafahana manombana ny fari-piainan’ny mponina sy hamokarana ireo tondro sosialy sy ara-toekarena lehibe ampiasain’ny fanjakana ny EPM. Manampy amin’ny […]

Tetibola 2026 : Hiakatra 12,4% ny tahan’ny tsindrin-ketra

Vinavinaina hiakatra 12,4% ny tahan’ny tsindrin-ketra tsy afakaratsaka (taux de pression fiscale brute) ho an’ny taona 2026, araka ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI). Tombanana ho lasa 5 026 miliara Ar ny fidiram-bolan’ny fadintseranana ho an’io taona hoavy io hanatsarana sy hanarenana ary hanavaozana ny toekarena. Ny 73,42% ny fampidiran-ketra anatiny […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony hitandrina ny fitondram-panjakana ankehitriny manoloana ireo tsindry samihafa ataon’ ireo firenen-dehibe, araka ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika, Paraina Auguste. « Tsy tongatonga ho azy ny niresahan’i Emmanuel Macron nandritra ny fivahinianany tatsy amin’ny Nosy Maurice ny toe-javamisy eto Madagasikara », hoy izy. Tsy mila PDS ny vahoakan’ny kaominina am­banivohitra Marovoay. […]

Depiote Rakotoniaina Pety : “Aoka tsy ho sarintsarina fanovana no hatao”

“Aoka tsy ho sarintsarin’ny fanovana no hatao, fa alefa any amin’ny Faritany sy ny Faritra ny fahefana”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Matsiatra Am­bony, Rakotoniaina Pety, manoloana ny ataon’ny mpanao politika sasany efa misy manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Ny mpanao politika sasany, manao kajy […]