Ho an’ny ankizy sy ny tanora miaina miaraka amin’ny diabeta ny hetsika torolalana ho an’ny olona manana toe-tena diabetika izay fanao eny amin’ny Amadia Faravohitra, amin’ny sabotsy izao. Ny diabeta sy ny sakafo ara-pahasalamana no lohahevitra voizina amin’izany. Na dia mangatsiaka aza ny andro dia tsy tokony hajanona ny fanaovana […]
Taratra
Andron’ny asa maha olona : Misokatra ny fifaninanana fakana sary
Marihina isaky ny 19 aogositra ny Andro maneran-tany natokana ho an’ny asa maha olona. Manamafy ny firaisankina maneran-tany sy manome hery ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana. Io no lohahevitra voizina amin’ity taona ity. Misy ny fifaninanana fakana sary maneho ny fandraisan’ anjara amin’ny asa maha olona sy ny fiantraikany tsara eo […]
Antanimora : Vehivavy voafonja 800 notohanana
Nanatanteraka asa sosialy teny amin’ny fonjan’Antanimora, ny FVKFM, izay notarihin’ny pastora Manilson Pimenta, ny herinandro teo. Nitondra fanampiana ho an’ireo vehivavy sy ankizy tsy ampy taona mifonja ao an-toerana izy ireo. Bodofotsy, lamba firakotra, vary sy kojakoja samihafa no nentina ho azy ireo. Manodidina ny 800 ireo nisitraka izany tolo-tanana […]
Fampianarana : Loza ho an’ny fanabeazana ny fisian’ny kolikoly
Fanetriben’ny fanabeazana ny kolikoly. Napetraka eny anivon’ny sekoly ny tambajotra mandala ny fahamarinana hisorohana izany. Nampiana ihany koa ny fahaiza-manaon’ny mpanabe momba ny ady amin’izany. Natao tamin’ity herinandro ity ny atrikasa mahakasika ny fanombanana ny loza ateraky ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara. Napetraka, tamin’izany, ny tambajotra […]
Fandaharan’ny TVM: Hisy vaovaon’ny Sadc isan’andro
Mba tsy ho tompon-trano mihono. Efa ao anatin’ny fandraisana tanteraka ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Misy amin’ireo hetsika tafiditra ao anatin’izany no efa mandeha. Eo koa anefa ireo mbola ho avy ato anatin’ny andro vitsy. Araka izany, hisy hatrany ny fandaharana izay harahin’ny […]




