Taratra

Tsy heloky ny zanany

  Mailaka ery ny sasany amin’ny endri-panavaozana toa tsy mijery ny maha olona. Mahazo vahana ny tsindrio fa lavo hany ka mahita faisana ny vahoaka madinika. Ity tokoa ilay hoe izy mivady no miady dia ny ankizy no voaporiporitra. Tendrom-po ny an’ny sasany, hany ka tsy mijery ny manodidina. Ho […]

Me Randriamiaramisaina Mirantsoa : « Fonjaina tsy ara-drariny i Rinah Rakotomanga »

Tonga teny amin’ny fitsarana Anosy ny mpisolovava, ny Me Randriamiaramisaina Mirantsoa, omaly. Nitondra fanazavana momba ny olona arovany, i Rinah Rakotomanga, izy. «Tsy mitombina aloha hatreto ny fiampangana ny amin’ny filazana fa nanao fanodinkodinam-bolam-panjakana i Rinah Rakotomanga. Miezaka izahay ny mitondra fanazavana sy ny porofo ny tsy mampitombina izany. Voafonja […]

TSELATRA

Tsy hita popoka nanomboka afakomaly Rotsiniaina Faravolatina Fifaliana, tovovavy 16 taona. Avy any Anka­di­non­dry izy ary niakatra teto Antananarivo, nikasa ho eny An­ka­zomanga. Tonga teny Anosizato, omaly tamin’ny 10 ora maraina, mbola nahavita niantso tamin’ny taxi-phone ary nisy nahita ihany koa ny nijoroany teo. Saingy izao tsy hita popoka izao. […]

Zandary roa maty : Novonoin’ireo mpitrandraka volamena

Karohina ireo mpitrandraka nivadi-pitokisana ka namono nahafaty zandary tao amin’ny fokontany Ambodiaviavy, kaominina Andranomavo, distrikan’i Mananjary, afakomaly. Maty vokatry ny daroka nahazo azy ny mpitandro filaminana roa niambina tao amin’io karieram-bolamena an’ny orinasa sinoa ao an-toerana io. “Tsy fanafihana avy any ivelany fa mpiasa ao anatin’ny toeram-pitrandrahana ihany no nisy […]

Nahatrarana rongony 30 kg : Olona telo notanana am-ponja

Lehilahy roa sy vehivavy iray niara-voasambotry ny zandarimaria tao Manjakandriana sy Ambatolampy rehefa nahatrarana rongony, afakomaly. Tratra tamin’ny toerana telo samihafa izy ireo raha toa ka mpiara-miasa ny roa. Nitondra entana niala avy any Andilamena hihazo an’Antananarivo Renivohitra ny lehilahy iray. Nanao fisavana tampoka ny zandary teny anivon’ny lalam-pirenena faharoa […]