Atao ny fanadihadiana hanarenana ny tetezana Efasy sy Mahavavy, any amin’ny lalam-pirenena faha-6, iarahana amin’ny tetikasa PCMCI, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena. Manomboka ny fanomanana ny fametrahana ny fototry ny tetezamby vonjimaika ny eo amin’ny reniranon’i Mahavavy. Tsiahivina, fa simban’ny rivodoza farany teo ireo tetezana roa ireo. Manohana ny fanaovana asa tanana […]
Taratra
«Salon de l’Habitat & Déstockage Pro 2025» : Mpitsidika maherin’ny roa alina no andrasana
Hotanterahina eny amin’ny Centre de conférence international (CCI) Ivato, ny 23 hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao, ny hetsika « Salon de l’habitat & déstockage pro ». Sehatra iray natokana ho an’ny matihanina sy ny olon-tsotra mitady vahaolana amin’ny fanorenana sy fanatsarana trano, izay iarahan’ireo orinasa maro mampiranty. Mpitsidika maherin’ny roa alina […]
Tsy ampy fangaraharana
Nanaitra toa vara-datsaka ny vaovao tato ho ato mahakasika ny mpitondra. Teo ny mahakasika ny maha tomponandraikitry ny raharaham-panjakana azy ireo. Misy kosa ny fiainan’izy ireny manokana. Zary niteraka resabe, manaratsy endrika ilay fitondrana avokoa izany. Lasibatra manokana noho ny adalan’ny sasany ilay Filohan’ny Repoblika. Tsy vao sambany no nisy […]
“SIW 2025”: Andrin’ny indostria ny fambolena sy ny fizahantany
Tafiditra ao anatin’ny lohahevitry ny Herinandron’ny indostrian’ny Sadc (SIW 2025), ny lafiny fambolena sy fizahantany. Mifameno ireo sehatra ireo hampandrosoana ny indostria. Tena ilain’ny indostria ny akora fototra avy amin’ny fambolena. Namelabelatra ny anjara toeran’ny seha-pamokarana amin’ny fampandrosoana ny indostria aty amin’ny faritry ny Sadc, ny minisitry ny Fambolena sy […]
TSELATRA
Lehilahy iray voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP 5 Mahamasina, ny talata tamin’ny 7 ora hariva teo. Tra-tehaka teo am-pangalarana findain’olona iray teny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara teny amin’ny Fasan’ny karana izy io. Nahatratra azy io ny polisy nanao fisafoana teny an-toerana. Miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy izy.




