Nifarana omaly, tany Kenya ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona vehivavy “Africa Women’s 7’s Tournament”. Toy ny tamin’ny taon-dasa, laharana fahefatra ny Makis Ladies. Resin’ny The Cranes Ouganda, tamin’ny isa 38 no ho 12 teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo. Tsy mbola afa-bela tamin-dry zareo Ogandezy indray ny […]
Taratra
Hazakazaka Trail UCTS: Hisy ny fifaninanana ho an’ny ankizy
Hotanterahina ny 21 hatramin’ny 23 novambra ho avy izao, eto an-dRenivohitra, ny hazakazaka mitety vohitra sy natiora, « Ultra Trek des Collines Sacrées (UTCS) ». Hetsika lehibe izay karakarain’ ny Ortana izy ity. Imasoana ny hampiroboroboana ny fizahantany maharitra sy ny Fanatanjahantena eto Analamanga. Hampiavaka an’ity andiany ity, ny « Kilonga Trail (2,76 km) », […]
DAKA AN-JORONY: Sao miala loza ka sendra atambo
Hiatrika lalao indray ny Barean’i Madagasikara anio. Fihaonana tsy ofisialy fa fanomanan-tena ihany. Efa mangina rahateo ny olan’ny federasionina, taorian’ny hetsika nitakiana ireo volan’ny mpilalao tamin’ny « Chan 2024 ». Manangasanga indray ity ny mety tsy hahatanteraka ny fihodinana faharoa amin’ny Diviziona faharoa nasionaly. Mety miala loza izany ka sendra atambo. Nifify […]
Bodybuilding – Fifanintsanana : Nitondra medaly roa ny Malagasy na tsy nisy nanampy aza
Na dia tsy notohanana aza, nitondra avo ny voninahi-pirenena malagasy ihany, ry Rado sy Maurice. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny taranja « Bodybuilding », i Rado, faharoa kosa i Maurice. Nisongadina indray ny atleta malagasy! Nandrombaka medaly roa, volamena sy volafotsy, ny solontenan’i Madagasikara nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, « World […]
VAOVAO TAMBATRA
Nahitam-piakarany sahady ny vidin’atody eny an-tsena tao anatin’ny andro vitsy. Manomboka amin’ ny 500 Ar ka hatramin’ny 700Ar ny vidin’ izany eny amin’ny mpanijara raha toa 450 Ar teo aloha. Anisan’ny mampiakatra ny vidin’atody ny fiakaran’ny vidin-katsaka izay foto-tsakafon’ireo biby fiompy. Tafita ny fahalalana nozaraina tamin’ireo mpiompy trondro avy amin’ny […]





