Nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosy, omaly, fa nofoanany avy hatrany ny fanendrena ilay Indianina, i Singh Khushwinder, izay voarohirohy sy karohina fatratra momba ny “Raharaha Boeing 777-200 ER“. Nohamafisiny fa tsy mpanolotsaina manokana izy io fa “bénévole” ihany. “Tsy misy zavatra fantatro ireny zava-misy ireny, namita […]
Taratra
Anjaramanantsoa Laza Fanambinana : “Izay tena mangirifiry ny vahoaka aloha no olana amin’izao”
Aiza ho aiza ny tontolo politika amin’izao? Eny, na ny fiainam-bahoaka aza… Maneho ny heviny ny olom-pirenena tsotra hoe maro anisa mangina hatramin’izay, i Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: “Izay tena mangirifiry ny vahoaka aloha no olana amin’izao”. Dinidinika… * Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny tontolo politika amin’izao? – Anjaramanantsoa Laza […]
« La Rentrée du Jeune Patronat »: Fihaonamben’ny tanora mpandraharaha
Hatao ny 16 sy 17 oktobra ho avy izao ny andiany voalohany amin’ny « La rentrée du jeune patronat ». Hetsika natomboky ny Jeune patronat de Madagascar (JPM), vondrona tanora mpitarika sy mpandraharaha manolo-tena ho amin’ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina. « Tanjona ny hampifandraisana ny tanora mpitantana orinasa, mpampiasa […]
VAOVAO TAMBATRA
Mandray anjara amin’ny adihevitra ao anatin’ ny « Herinandron’ny indostrian’ny Sadc », ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nifampizarana ny “Fanafainganana ny fanodinana ara-pamokarana mba hisian’ny fiantohana ara-tsakafo”, araka ny vinan’ny fitondram-panjakana malagasy. Karohina ny vahaolana hanatsarana ny kalitaon’ny rivotra, ho an’ireo firenena 16 ao anatin’ny Sadc. Anisan’ny nodinihina […]
Sipem Banque : Fihaonana mivantana amin’ny mpanjifa
Natao teny amin’ny Sipem Banque Analamahitsy, ny 24 jolay teo, ny fihaonana « Club Clients », andiany fahefatra. Fotoana nampihaonana mivantana ny mpisehatra ara-toekarena eto an-toerana, ny mpanjifa ary ny mpiara-miombon’antoka. Nahafahan’izy ireo nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fifandraisana sy ny fikarohana fiaraha-miombon’antoka, indrindra ireo mpandraharaha any amin’ny faritra Avaradrano. […]




