Taratra

Lehilahy voatsatoka antsy inenina : Notanana am-ponja ny nahavanon-doza

Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ankazobe, ilay lehilahy nanidrona antsy inenina ny lehilahy iray hafa, tao amin’ny kaominina Ambo­hitromby. Niaro ny anabaviny tsy ampy taona saingy efa tao anatin’ny hamamoana, nandratra olona tamin’ny fomba nahatsiravina ny lehilahy iray, tao amin’ny fokontany sady kao­minina Ambohitromby, distrikan’Ankazobe io, ny 26 […]

Raharaha Ambohimalaza: Naiditra am-ponja i Fenohasina sy ny reniny

Vita omaly alina ny fakana am-bavany an’i Fenohasina sy ny reniny, mahakasika ny raharaha nahafatesan’olona am-polony teny Ambohimalaza, nanomboka ny 14 jona lasa teo. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora izy ireo mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Taorian’ny fakana am-bavany, nijery ny vesatra niandry azy ireo ny mpitsara mpanao famotorona ka namoaka didy […]

Fanondranana volamena antsokosoko: Teratany srilankey iray tratra, roa lahy hafa karohina

Volamena 2,115 kilao no tratra saika haondrana antsokosoko. Sarona koa ny trano fandrendrehan’ireo mpanao trafika bolongam-bolamena. Nahomby indray ny eza­ka nataon’ny Fadintse­ranana malagasy. Te­ra­tany srilankey iray no tratra nitondra volamena antsokosoko, milanja 2,115 kilao, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 22 jolay teo. Ni­kasa handray ny sidina EK 708 ho any […]

Ramamimampionona G. : “Mba hisy vokany ny Sadc”

“Ilaina ny jery todika sy fanitsiana politika mba hifanaraka amin’izay tombontsoa azo ny zavatra ataontsika. Hisian’ny vokany mivantana any amin’ny fiainam-bahoaka ny fivoriana toy izao”. Io ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. I Madagasikara no hitantana, inona no ho azo hararaotina mba […]

Aferam-piaramanidina any Iran : Tsy nahalala ny lehiben’ny fahefana mpanatanteraka

“Tiako ny manamarika fa ny filohan’ny Repoblika sy ny tenako dia tsy mahalala ny zava-misy”, hoy ny fanaza­van’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Anosy, omaly, taorian’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro teo aloha, Ramonjavelo Valéry. Tsy inona izay zava-misy izay fa ny amin’ny […]