Taratra

Serasera Diana sy Sava : Nanamafy ny fahaiza-manaony

Nanamafy ny fahaiza-manaony ireo talem-paritra sy delege miisa 21 eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ho an’ny faritra Diana sy i Sava. Nijery ny fizotran’ny fampiofanana ireo mpiasan’ny minisitera ny minisitra Mara Volamiranty Donna. Nambarany fa tanjona ny fanatsarana ny fomba fiasan’ireo tomponandraikitra hampiroboroboana ny maha olona. Niompana amin’ny […]

Nilalao teo an-tokotany : Naolan’ny tovolahy iray i Henintsoakely, 4 taona

Raharaham-pitsarana nahavariana ny mpanara-baovao ny antontan-taratasin’ady laharana faha-1810/RP/25- IS/ST/LT, tetsy amin’ny sampam-pitsarana ambaratonga voalohany, ny alakamisy 17 jolay teo, hanenjehana an-dRandriamarolahy Nambinin­tsoa Francky. efa voatazona vonjimaika am-ponja, ny 7 jolay lasa teo. Nandritra ny adihevitra teo amin’ny fotoam-pitsarana, nambaran’ny mpa­n­gataka onitra fa tia milalao “balançoire” ny zanak’izy ireo, efatra taona. […]

Fitaterana: Hiasa amin’ny fivorian’ ny Sadc ny teleferika

Tsy ho ela. Nambaran’ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gerard, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fahitalavi-panjakana (TVM) fa efa eo am-pamaranana ny andrana ara-teknika ny fitaterana an-tariby, teleferika, mampitohy an’i Soarano sy Ivandry. “Ho tapitra amin’ny faran’ny volana jolay ho avy izao ny andrana ara-teknika. […]

Tsy mahazaka onjam-piainana : Maro ireo lehilahy mamono tena ao Toamasina

Tao anatin’ny herinandro iray monja, teto Toamasina, trangam-pamonoan-tena roa no niseho ka lehilahy anatin’ny fahatanorana avokoa: ny iray maty raha avotra kosa ny faharoa noho ny fahitan’ny olona azy nitsoraka tao anaty ranomasina. Sendra teny an-toerana ny tovolahy iray mahay milomano tsara ka nitsoraka nanavotra azy. Nikasa hamonono tena izy raha nohadihadiana. […]

INDRAY MIJERY

Notanterahina tao Mahamasina, omaly, ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mponina, izay notarihin’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Omeo ny tanora ny fomba entiny hanorenany ny fiainam-pianakaviany, ao anatin’ny tontolo marina sy feno fanantenana. Izany no lohahevitra novoizina. Hetsika maro no nentina nanamarihana izany. Nahazo dabilio […]