Taratra

Mama Germaine: nitranga avokoa ny faminaniana hitany

Efa hatramin’ny taona 1997 no efa nisy bitsika tonga taminy avy amin’ny mpahary ary naniraka azy mivady hiala ny asany teo anivon’ny hopitaly fa hataon’Andriamanitra fitaovana ho mpampita hafatra eo amin’ny mpitondra, araka ny nambaran’i Mama Germ­aine. Nampitany tamin’ny filohan’ny Repoblika Ratsiraka Didier, tamin’ izany fa “tsy mahantra i Madagasikara […]

Fanatsarana ny fitaterana: hiara-hiasa i Madagasikara sy i Egypte

Liana hampiasa vola amin’ny fananganana fotodrafitrasam-pitaterana eto Madagasikara i Egypte. Hojerena manokana ireo soa fanararaotra hanatsarana ny fandraharahana sy ny tombontsoa ara-toekaren’ny firenena roa tonta. Vonona hiara-miasa sy hanohana an’i Madaga­sikara amin’ny fananganana fotodrafitrasam-pitaterana ny Repoblika Arabo Egyptianina. Nivoitra izany nandritra « Business forum », fihaonan’ireo mpandraharaha egyptianina tamin’ireo solontenan’ny governemanta tetsy […]

Orange Madagascar: nizara mari-pankasitrahana miisa 143

Tontosa ny alatsinainy teo, teny Ivato, ny lanonam-pizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa miisa 145 avy amin’ny Orange Madagasikara. Fotoana nanehoan’ny orinasa fa vonona hanohana ireo mpiara-miasany hatrany izy ho an’ny fampandrosoana ireo tetikasa manaraka. « Mandray anjara sahady amin’ny fampandrosoana ny firenena izao fanoloran-tenanareo amin’ny sehatry ny niomerika izao. Mpanorina ianareo […]

Alpha Ciment 75 taona niforonana ho an’ny famokarana malagasy

Hany orinasa tokana, ma­mokatra simenitra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe In­diani­na, ny Alpha Ciment ao Ibity Vakinankaratra. Feno 75 taona ankehitriny ny orinasa. Notsiahivin’i Vincent Blanchet, tale jeneraly, nandritra ny fitsidihana nataon’ny mpanao ga­zety, tany an-toerana, ny herinandro lasa teo, fa ny taona 1950 no niforonany. Nisahana famoronana fitaovana toy […]