Lehilahy efatra avy any Soavina II, voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Borigadin’ny Zandarimaria Betafo, tamin’ity herinandro ity. Voarohirohy amin’ny famonoana sy fanapahan-doha raim-pianakaviana iray, 68 taona, tany amin’ny fokontany Soavina faharoa, kaominina Antohobe, distrikan’i Betafo, faritra Vakinankaratra, ny alin’ny 24 hifoha 25 marsa 2025 izy ireo. Naharitra volana maromaro […]
Taratra
Kamiao tra-doza teo Maharidaza: namoy ny ainy ilay Kaomorianina, mpanampy mpamily
Roa andro taorian’ny lozam-pifamoivoizana tao Maharidaza, lalam-pirenena faharoa, tafavoaka tao ambanin’ny kamiao nanindry azy ny nofo mangatsiakan’ilay kaomorianina, omaly maraina. Nanao sarotra ny fangalana ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray voatsindrin’ny kamiao tao Maharidaza, RN2. Kamiao lehibe mpitatitra entana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina tra-doza tampoka teo amin’ io toerana io. Nisedra […]
Mozika maroloko avy amin’ny lafivalon’ny Nosy
Nezahina ho an’ny rehetra. Anisan’ny manamarika hatrany ny fetin’ny Fahaleovantena ny seho goavana eo Mahamasina. Nanehoana ny maha iray ny Malagasy izany. Vao mangiran-dratsy, efa filaharambe ny niditra tao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, omaly. Vetivety foana dia tomefy olona ny toerana, na dia mahazaka maro aza. Mazava loatra fa tonga hijery […]
Jirama: « Tsy mbola nisy fahaverezana menaka mavesatra »
Nandiso tanteraka ny filazana fahaverezana menaka mavesatra ny eo anivon’ny Jirama tamin’ny alalan’ny tale jeneraly lefitra misahana ny famatsiana solika sy menaka, Andriamampionona Francesca. Nohamafisiny fatsy mbola nisy izany tranga izany tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Ankoatra izay, nanokatra fanadihadiana momba ny vaovao niely tamin’ny tambajotra sosialy ihany koa ny talen’ny […]
Ady amin’ny herisetra amin’ny ankizy: manana andraikitra ny ray aman-dreny sy ny fanjakana
Iharan’ny herisetra ny akamaroan’ny ankizy malagasy eto amin’ny firenena. Manana anjara andraikitra goavana amin’ny ady ny ray aman-dreny sy ny fanjakana. Be loatra ny karazana herisetra mahazo ny ankizy tao anatin’ny volana mey sy jona, raha ny zava-misy eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny trangana fanolanana, famonoana ho faty ny ankizy, […]




