Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto scooter iray tra-doza teny Anosiavaratra, ny harivan’ny alahady teo, tamin’ny 6 ora sy sasany. Nentina namonjy hopitaly ny namany. Namoy ny ainy teo no ho eo ny mpitondra moto scooter marika “Glide” niloko mena, teny amin’ny lalam-pirenena fahatelo, teo Anosiavaratra, distrikan’Avaradrano, afakomaly. Nandeha mafy […]
Taratra
Senatera Tsiebo Mahaleo: “Fidin’ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny loholona”
Hifarana amin’ny desambra ho avy izao ny fe-potoam-piasan’ireo loholona. Mba tsy hisian’ny fahabangana andrimpanjakana, tsy maintsy atrehina ny fifidianana loholona vaovao fidin’ireo mpifidy vaventy. Naneho ny heviny ny loholona Tsiebo Mahaleo. Anisan’ny mpifidy vaventy ny ho filoham-paritra sy mpanolotsaim-paritra ary ny filoham-paritany sy mpanolotsaim-paritany. Hiandry ny fifidianana azy ireo izay […]
Basikety – “World Cup 3×3”: ratsy fanombohana ny Ankoay, sokajy vehivavy
Nanomboka omaly, tany Mongolie, ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety lalaovin’olona 3. Ratsy fanombohana ny Ankoay. Ny Ankoay no niakatra an-kianja voalohany, omaly, tany Mongolie, ao anatin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3. Navesatra ho an’i Muriel sy ny namany ny niatrika io andro voalohany io. Faharesena roa […]
Televiziona: ampiasaina ny angovo avy amin’ny masoandro
Miditra dingana vaovao ny orinasa StarTimes, mampiasa ny teknolojia niomerika, ahazoan’ny mpanjifa ny fandaharana televiziona avoakany. Ampiarahana ny fisitrahana ny niomerika, ny angovo azo havaozina ho an’ny rehetra. Amin’ny alalan’ny sampana orinasa StarTimes Solar, izay mpanohana ofisialy ny Fifa amin’ny fandefasana ny lalao Tompondaka maneran-tany ho an’ny klioba 2025 no […]
Ravinala Airports: loka iraisam-pirenena (ACA) fampihenana ny Karbôna
Nahazo ny mari-pankasitrahana iraisam-pirenena Airport Carbon Accréditation (ACA) sokajy 3, ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be avy amin’ny Airport Council International (ACI). Tanteraka izany vokatry ny ezak’ity orinasa ity, nampihena ny fanapariahana ny entona karbona CO2 amin’ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina roa amin’ny fomba maharitra. Efa vitan’ny Ravinala Airports ny […]




