Taratra

HJRA: nankaherezina ireo voapoizina

Tonga tetsy amin’ny HJRA, nanohana ireo olona narary vokatry ny famosaviana nandritra ny fety fankalazana tsingerin-taona nahaterahana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ny faraparan’ny herinandro teo. Olona 26 no nomena tohana nahitana fehezan-karona misy ireo vatsy sy nankaherezina tamin’ izany. Nisy koa ny vatsim-panahy netin’ny mpitandrina […]

CHUSSPA Analakely: napetraka ny rafitra ara-kajy mirindra manara-penitra

Mivoatra manaraka ny teknolojia moderina ny fomba fandraisan’olona ao amin’ny CHUSSPA Analakely na ny Institut d’hygiène sociale teo aloha. Napetraka ny rafitra ara-kajy mirindra manara-penitra handrindrana ny fitantanana ny hopitaly. Hanampy amin’ny fitantanana mangarahara sy manamora ny fivezivezen’ny olona mila ny tolotra ara-pahasalamana ao an-toerana ny fametrahana ny rafitra ara-kajy […]

Fandaharam- potoanan’ny FKM: mampivelatra ny Malagasy mpikatroka amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Feno ary manan-danja tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Federasionina ny Karate-do malagasy, ho an’ny tapa-taona faharoa, ao anatin’ny taom-pikatrohana 2025. Ahitana taratra ny fampivelarana ny atleta eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avokoa ireo fifaninanana rehetra hitranga manomboka amin’ity volana jona ity hatramin’ny volana desambra 2025. “Open International de Tanà” Fifaninanana voalohany amin’ny tantaran’ny […]

Antsam-piderana: namelombelona fanahy ry Dena Mwana

« Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny ». Naverin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry io, nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly. Vavaka sy antsam-piderana, nentiny nahatsiarovana ihany koa ireo tanora nodimandry vokatry ny famosaviana teny Ambohi­malaza. Ankoatra ireo mpanakanto ara-pilazantsara malagasy, nitondra aim-panahy ho an’ireo nanatrika […]