Taratra

Orange Solidarité Madagascar: nomena sehatra hilalao ny ankizy, tetsy Anosy

Natao teny Anosy, omaly, ny fiombonana amin’ny ankizy ao anatin’ny Iray volana natokana ho azy ireo, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’ antoka. Teo ny Orange Soli­darité, ny Unicef, ny CUA ary ny minisiteran’ny Mponina sy firaisankina, notarihin’ny minisitra Razafinjato Aurélie nifarimbona nanome sehatra ho an’ny ankizy. Nohamafisina tamin’ireo ankizy ny fahafantarany ny […]

Fiahiana sosialy manaraka toetrandro: nampahafantatra tolotra vaovao efatra ny Cnaps

Nampahafantatra tolotra vaovao efatra ho fanatsarana ny fiahiana sosialy ho an’ny orinasa sy ny mpiasa mandray karama ny Tahirimbolam-pirenena ho an’ny fiahiana sosialy (Cnaps), omaly, teny Alarobia. «Feno 70 taona ny Cnaps. Hanama­fisana izany ny fidirana amin’ny vanim-potoana mikirakira ny niomerika», hoy ny tale jeneraliny, Rahain­gonjatovo Vimbina. Hiara-miasa amin’ny banky […]

Fiarovana ny tontolo iainana: fomba ahafahan’ny orinasa mifaninana ny RSE

Efa tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ny fampandraisana andraikitra ny orinasa tsy miankina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Natao ny 19 jona teo, tetsy amin’ny Café de la Gare Soa­rano, ny hetsika Andraikitry ny orinasa ara-tsosialy (RSE) sady Paikady hisian’ny fampandrosoana maharitra (IDD), […]

Kaominina Arivonimamo II: nizara karatany 25 493 ny minisitera MFFT

Notanterahina omaly, teny amin’ny kaominina Arivonimamo II, ny fizarana karatany miisa 25 493. Ity tanàna ity izay anisan’ireo kaominina 26 misitraka ny tetikasa Tafita. Ny hetsika tahaka izao dia eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFTT), izay tarihin’ny mi­­nisitra Andriantsitohaina Naina. Tafiditra amin’ny fandaharanasa « Afafi Centre », […]