Taratra

Fikirakirana ny tambajotra sosialy: miantraika amin’ny fomba fisainan’ny tanora

Marolafy ny fiantrai­kan’ny fampiasana tsy ara-drariny na diso tafahoatra ny tamba­jotra sosialy ho an’ny tanora. Fanamby ho an’ny fivoaran’ny fisainana sy ny fifandrai­sany eo amin’ny fiarahamonina ary fampandrosoana ny teknolojia niomerika. Fanamby goavana amin’ ny fampandrosoana ny firenena sy ny fomba fisainan’ny fiarahamonina ny fahaiza-mikirakira tambajotra sosialy. Nitondra fanazavana ara-tsiantifika […]

Samy mitandrina

Mahoraka manerana an’izao tontolo izao ny fifampidarohana baomba ataon’ny samy vazaha. Mifampitady hatrany ny iranianina sy ny israelianina. Niaraha-nahita fa niditra ihany koa ny Be kintana. Efa mandrahona ny hanao tambabe ny tatsinanana rehetra. Mbola mizarazara kosa ny tandrefana. Manomboka mahita faisana ny sivily, indrindra ny zaza amam-behivavy. Tsy misy […]

Antenimierampirenena: manohana ny fitantanana mangarahara ny OIF

Noraisin’ny filohan’ny An­te­nimierampirenena, Tokely Justin, tetsy Tsimbazaza, ny solontena vaovao ho an’ny fikambanana iraisam-pirenena Frankofonia (OIF), aty amin’ny ranomasimbe Indiani­na, Traian-Laurentiu Hristea. Nisongadina tamin’ny fihaonana ny fahavononany ho amin’ny fiaraha-miasa ho fanohanana ireo andrimpanjakana mpanao lalàna. “Tafiditra ao anatin’izany ny amin’ny fanatanterahana ny andraikiny ho an’ny fitantanana mangarahara”, hoy izy. […]

Analamahitsy: mpanao sinto-mahery voasambotry ny polisy

Nenjehin’ny polisy ny lehilahy mpanao sinto-mahery iray teo Analamahitsy, boriborintany fahadimy, omaly atoandro. Nosintomin’io olon-dratsy io ny poketra an’ny renim-pianakaviana iray teny an-toerana, tamin’ny 12 ora sy sasany. Nian­tso vonjy tamin’ny manodidina ny lasibatra. Ren’ny mpitandro filaminana izay nanao fanamiana sivily io hikiaka nataon’ny manodidina io. Nenjehiny avy hatrany ilay […]

Anosizato Atsinanana II: trano fitoeran’entana may kilan’ny afo

May kilan’ny afo ny trano lehibe fitoerana entan’ny mpamongady friperie iray etsy Anosizato Atsinanana II, afakomaly alina tamin’ny 11 ora latsaka fahefany. May kilan’ny afo tao ny en­tana rehetra sy fiara telo teo an-tokotany. Nahitana fiara fitateran’entana sy fiara taxi-be ary fiara kely an’olon-tsotra naka niantsona tao. Tsy mbola maty […]