Notolorana mariboninahitra Commandeur de l’ordre national, ny Pr. Lily-Arison René de Roland, omaly. Natao izany noho ny nahazoany ny loka iraisam-pirenena Indianapolis 2025, vokatry ny fikarohana sy ny fiarovana ny karazan-javamananaina eto Madagasikara. Nisolo tena ny filoham-pirenena sy ny governemanta nanolotra izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana […]
Taratra
fampiasam-bola vahiny (IDE) : Niakatra 602 tapitrisa dolara
Fahombiazana. Tafakatra 602 tapitrisa dolara ary nitombo 16% ny fampiasam-bola vahiny (IDE) teto Madagasikara, ny taona 2024, araka ny tatitra navoakan’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM). Mihatsara ity sehatry ity nanomboka ny taona 2022. Ny taona 2021, nijanona ho 358 tapitrisa dolara toy ny tamin’ny taona 2020 ny IDE […]
PoP MVola : Manakaiky ny mpanjifa hatrany
Feno dimy ny toerana Points of Presence (PoP) an’ny orinasa MVola, ka anisan’izany ny eny Analakely sy Sabotsy Namehana. Nambaran’ny tale jeneraly (DG) MVola, Olivier Favot, ny 16 jona teo, tetsy amin’ny masoivoho PoP, akaikin’ny banky BNI Andohan’Analakely, fa “taratry ny finiavana hanapariaka ny tolotra omena ny mpanjifa izao hetsika […]
Fadintseranana : Ampiasaina ny niomerika amin’ny fitantanana ny mpiasa
Mitohy hatrany ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny fitantanana ny ladoany. Anisan’izany ny fitantanana sy ny andraikitra omena ny mpiasa. Nampahafantarina, omaly, ny tetikasa « Projet 29 », mahakasika ny fitantanana ny mpiasa mifototra amin’ny fahaiza-manaony ao amin’ny fitantanana foibe ny habantseranana (DGD). Tafiditra ao anatin’ny drafitrasa stratejika 2024-2029 ny fametrahana ny […]
Tetikasa « Za Mahasaky »: Omena sehatra haneho hevitra ny tanora
Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fifaninanana handraisan’ny tanora anjara amin’ny adisisika amin’ny lohahevitra «fifidianana ny fitoviana momba ny zon’ny olom-pirenena». Famokarana horonantsary hanehoan’izy ireo hevitra sy handraisany fanapahan-kevitra amin’ny hoaviny izy ity. Amin’ny 13 jolay izao vao mifarana ny fandraisana anjara ary hivoaka ao amin’ny pejy facebook an’ny minisiteran’ny Tanora […]




