Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao miparitaka ao anaty tambajotran-tserasera, omaly, nodimandry Rasoanaivo Kael, zanak’i Titi Rasoanaivo, Malagasy mpanazatra efa nitondra ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Barea teo aloha. Izahay eto amin’ny Gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana. Hotontosaina ao amin’ny Kianja mitafo Arena Sport sy ao amin’ny Kianja […]

Federasionina malagasin’ny taekwondo : Filoha lefitra Rakotomanana Franck Tiana

Nanatanteraka hetsika fanomezana diplaoma ho an’ny taranja taekwondo WT, tetsy Mahamasina, ny zoma lasa teo, ny Federasionina malagasin’ny taekwondo (FMTKD). Araka ny fanadihadiana natao, efa nisy ny fanolorana ny birao vaovao teny an-toerana, ary fantatra taorian’io fa voatendry ho tomponandraikitra lefitra hitantana ny FMTKD, Rakoto­manana Franck Tiana, filohan’ny federasionina teo […]

Lomano – Tompondakan’i Frantsa: Mifaninana any Montpellier i Eliot

Nanomboka ny 14 jona lasa teo ary hitohy hatramin’ny 19 jona izao ny fiadiana ny tompondakan’i Frantsa taranja lomano, tontosaina ao amin’ny dobo filomanosana Olympique Angelotti ao Montpellier. Toy ny efa fanao isan-taona, mandray anjara amin’ity fifaninanana ity ny Malagasy mpilomano milaravinahitra any Frantsa, Rakotondramanga Eliot. Efa niditra an-tsehatra teo […]

INDRAY MIJERY

Nanome tohana ara-pitaovana, sokola, fampianarana maimaimpoana ho an’ny ankizy hanala CEPE ny mpiara-miasa eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Mponina sy firaisankina Vakinankaratra. Nisitraka izany ireo mpianatra miisa 110 tao amin’ny EPP Ambalavato sy Tsivatrinikamo. Nitarika ny fananganan-tsaina ho fanamarihana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny mi­nisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana […]