Taratra

Fampianarana : Nisongadina ny zava-bita

Nanasongadina ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana teo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny minisitra nandritra ny fihaonana tamin’ny solombavambahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Maro ny fampitaovana ireo tranon-tsekoly vao naorina manerana an’i Madagasikara. Maherin’ny 61 000 ireo dabilio notsinjaraina ho an’ny taona 2024 -2025. Novatsiana fitaovam-pianarana miisa 1 600 000 ireo mpianatra, niampy […]

Fanapoizinana ara-tsakafo : Miteraka tahotra eo amin’ny mpanjifa

Nampivarahontsana ny mpanara-baovao ny fahafatesana tanora maro vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo ny faran’ny herinandro teo. Teo ireo ray aman-dreny nandray fepetra avy hatrany tsy handefa ny zanany hiara-misakafo amina fanasana iarahana. Ireo nanomana fety aman-danonana nampitsahatra mihitsy ny fihaonana saika hanasana ny havana aman-tsakaiza satria tena voadona ny saina mieritreritra […]

fanaovam-bakisiny : Tafatsangana ny vondron’ny parlemantera

Taorian’ny fivoriana tany Istambul, ny avrily lasa teo, niarahana tamin’ny firenena valo mbola ampian’ny Gavi amin’ny fividianana vaksiny, nisy ny Alliance inter-parlemantaire natsangana. Nentina aty amin’ny firenena tsirairay ny zavatra tapaka tamin’izany. Tafatsangana taorian’ny atrikasa teny Ambatofo­tsy, omaly, ny Coalition parlemantaire pour la vaccination. Ahitana ireo vaomiera eny anivon’ny Antenimieram­pi­renena […]

VAOVAO TAMBATRA

Hotanterahina ny 20 sy 21 jona ho avy izao, etsy amin’ny Carlton Anosy, ny « salon biolojika”, andiany fahefatra. Hetsika hanandratana avo ny vokatra eto an-toerana, bio, sy hanentanana ny tsirairay hanaja ny tontolo iainana. Feno ny fandaharam-potoana mandritra ny roa andro hanaovana ny hetsika. Hisy ny fampirantiana sy atrikasa ary […]

Fanjifana: Tafakatra 4 200 Ar ny kilaon’ny lafarinina

Tao anatin’ny herinandro, niakatra ho 4 200Ar ny kilaon’ ny lafarinina eny an-tsena, raha mbola novidiana 3 200 Ar teo aloha. “Nahitam-piakarana manodidina ny 800Ar ka hatramin’ny 1 000Ar”, hoy Rakotondrabe, mpivarotra eny Ambondrona. « Mihena ny mpanjifa. Ireo mpivarotra mofo, mpanao mofomamy ary ireo mpanao tsena kely sisa no mividy eto aminay », raha […]