Tafakatra hatrany amin’ny 13,7 miliara euros ny famatsiam-bola nataon’ny Agence française de développement (AFD), ny taona 2024. Maherin’ny 1 250 ireo tetikasa nisitraka izany ho an’ny tombontsoan’ny mponina sahirana sy hanohanana ireo tetikasam-pampandrosoana. « 10 taona taorian’ny fankatoavana ny Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) sy ny Accord de Paris dia faly aho milaza […]
Taratra
Banky iraisam-pirenena: Mitotongana ny toekarena maneran-tany
Mietry tanteraka ny toekarena maneran-tany noho ny fifanolanana ara-barotra sy ny zava-misy amin’izao fotoana. Mihena ny fampiasam-bola, midangana ny vidim-piainana. Heverin’ny Banky iraisam-pirenena fa hietry ny toekarena maneran-tany mandritra ity taona ity noho ny fifanolanana ara-barotra sy ny zava-misy ara-jeopolitika. Voalaza ao anatin’ny tatitra nataony farany fa hidina hatrany amin’ […]
Nosy Boraha: Fampandrosoana mikajy ny tontolo iainana
Anisan’ny nifantohana nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME), natao ny 2-4 jona teo, tany Sainte Marie, ny fanabeazana ara-tontolo iainana, ny famokarana saribao ekolojika, ny famokarana ahidrano, sns. Azo tsorina fa fitaratra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny EPP Vohilava ao Sainte Marie na Nosy […]
TARATRY ny KANTO
Handray ny “Fetin’ny Mozika” ihany koa ny eny amin’ny Tana Water Front Ambodivona, ny sabotsy 21 jona izao. Tarika 25 be izao no hifandimby manomboka amin’ny 10 ora maraina, hizara mozika maroloko ao. Misy amin’ireo no vao misandratra, misy koa ireo efa malaza sy matihanina. Hisy ny fandraisana anjara manokan’ny […]
Na eo aza ny fanarahana vanim-potoana: Itoeran’ny fifanajana ny fanaovana fomba amam-panao
Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana fanatanterahana ireo fomba amam-panao, ankehitriny, ny fiarahamonina malagasy. Anisan’izany ny didimpoitra sy ny famadihana. Efa niova endrika tsy sahala amin’ny tany aloha izy ireny noho ny zava-misy samihafa. Io fiovana manaraka ny toetrandro io no mila fitandremana fatratra, satria, tsy tokony hanova ny fototra. Rehefa manao […]




