Taratra

10 taona ny Cosmos : Maro ny hetsika fanamarihana

Ao anatin’ny fandraisan andraikitra ara-tsosialy sy tontolo iaianana (RSE) sy ho fankalazana ny faha-10 taonany, niara-nientana namboly zana-kazo miisa 1 000 sy fihinam-boa miisa 3 000 ny mpirara-miombon’antoka amin’ny orinasa Cosmos sy ny Uditec manerana ny Nosy. Nifanolo-tanana tamin’izany ireo mpiara-miasa rehetra miisa 400 manerana an’i Madagasikara. Ankoatra izay, nanamafy ny […]

Madagascar Airlines : Azo atao ana habaka ny famandrihan-toerana

Mitondra fanavaozana amin’ireo tolotra ataony ny kaompania Madagascar Airlines. Ankehitriny, azo atao ana habaka ny famandrihana toerana. Mba hanakaikezana ny mpanjifa, natsangana ny tranokalan’ny orinasa: www.madagascarairlines.com. Vokatra azo tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny Amadeus, mpisehatra mavitrika sy mampiasa ny teknolojia eo amin’ny tontolon’ny sidina. Araka izany, azon’ny mpandeha atao ny mamandrika sy […]

Banky iraisam-pirenena: Mahantra ny olona miaina amina 3 dolara isan’andro

Voasokajy ho mahantra ny olona mivelona amina vola 3 dolara isan’andro, ho an’ireo firenena manana fidiram-bola ambany. Nahitam-panitsiana ny tondrom-pamaritana ny fahantrana, araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Ankehitriny, lasa 4,20 dolara ny vola iainan’ ireo mponina amina firenena mahantra amin’ny antonony, raha 8,40 dolara izany ho an’ ireo firenena […]

INDRAY MIJERY

Tatitry ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina. Ilaina ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo solombavambahoaka, ho amin’ny fandraisana an-tanana ireo olona marefo isan-tsokajiny, ny fanohanana ireo fikambanam-behivavy manana tetikasa mitondra amin’ny fampizakan-tena, ny fandraketana ireo tokantrano marefo ao anatin’ny rejisitra sosialy tokana. Nisitraka fampiofanana ny mpiasa ao amin’ny Mesupres. Notanterahin’ny MEF […]

“Loharano II” : Hidina ifotony ireo tanora dispora miisa 17

Noraisina tetsy amin’ny Café de la Gare, Soarano, ny zoma lasa teo, ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo 17 (20 – 35 taona) avy amin’ny diaspora malagasy. Hetsika ao anatin’ny fandaharanasa “loharano II”, tantsoroka ho an’ny diaspora (Tady). Hampiro­boro­boana ny fandraisana anjaran’ny tanora, Malagasy sy any am-piele­zana. Hidina an-tsehatra hanao fanentanana sy […]