Taratra

« Cosafa 2025 » :Tsy mbola afa-bela tamin’i Comores indray ny Barea

Nody an-tanam-polo ny Barea de Madagascar, izay notarihan-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, tamin’ity fifanintsanana “Cosafa 2025” ity. Lavon’i Comores, 1 no ho 0, i Madagasikara. Resy indray! Nionona teo amin’ny laharana fahefatra, nandritra ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsimo, “Cosafa 2025”, izay natao tany Afrika […]

Tsipy kanetibe: « Traikefa, fitiavana, fikirizana, fitsipika no hahombiazana », hoy ireo efa tompondaka maneran-tany

Taranja manavanana ny Malagasy ny tsipy kanetibe. Efa fanta-daza maneran-tany i Madagasikara, noho ny zava-bitan’ireo mpilalao. «Ilaina fitiavana sy fikirizana izany», hoy ny ampahany amin’ireo efa tompondaka maneran-tany nanaovana fanadihadiana. - Randrianandrasana Jean Jacky, anisan’ireo Malagasy mpilalao tsipy kanetibe nandrombaka voalohany ny anarana ma­ha tompondaka maneran-tany ho an’olon-telo, niaraka tamin’ Andriantseheno […]

Fampirantiana: Mampita hafatra maro ny « Carte blanche »

Nosokafana tao amin’ny « Maison social de l’art » (MSA) etsy Ambatovinaky, ny faran’ny herinandro teo, ilay hetsika kolontsaina nampitondraina ny lohateny « Carte blanche ». Tamin’ny alalan’ny sanganasany no nampitan’ireo mpanakanto mandray anjara ny hafatra ho an’ny rehetra. Anisan’izany ny saripika na­lain’i Ampelagie maneho ny herim-po ananan’ny vehivavy. Vehivavy telo miaraka mitoto vary […]

Yvette Rabetafika : Nodimandry teo amin’ny faha-83

Misaona ny tontolon’ny fampianarana rehefa namoy ny ainy teo amin’ny faha-83 taonany i Yvette Rabetafika, omaly. Vehivavy voalohany nahazo ny mari-pahaizana ambony momba ny teny anglisy teto Madagasikara, tamin’ny taona 60, izy. Nampiavaka azy rahateo koa, ny nahavoatendry azy ho ambasadaoro teo anivon’ny Unesco. Niainga tamin’ny fampianarana teny anivon’ny Lycée […]

Akom-pahatsiarovana an’i Jerôme Randria : Nifamatotra akaiky ny mpijery sy ny mpanakanto

Mpanakanto samy nanana ny tany nitsimohany no namelona indray ny tsiahy ho an’i Jerôme Randria. Na izany, tsapa fa nahay nampiaina ireo hira noforoniny na nohirain’ity andrarezina ity izy ireo. Nanie, Nini (Kiaka), Inah, Thony Chriss (zanak’i Railôla) ary ny tarika Rai­lôla, nanafana ny sehatry ny CCEsca Antanimena, oma­ly tolakandro. […]