Taratra

Natiora defenders : Nahazo ny “Intentional Award 2025”

Nahazo ny “Intentional Award” tamin’ny Lush Spring Prize 2025 notontosaina tany Dorset, Royaume-Uni, ny fikambanana Natiora Defenders, misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iai­nana ka manome lanja ireo mpiantsehatra miaro ny rohivoahary eto Madagasikara. 19 ireo notolorana fankasitrahana ka iray amin’ireo ny fikambanana. Nisongadina tamin’ny asa fanoha­nana ireo mpanjono madinika ny […]

Fanadinana CEPE-2025 : 571 367 ny mpiadina manerana ny Nosy

“Tsy fotoana famerenana na fianarana intsony ny anio ho an’ireo mpanala fanadinana CEPE”, hoy ny mpanabe. Fandaminana ny fitaovana sy ny taratasy fiantsoana miaraka amin’ny karatra maha mpianatra no tena zava-dehibe. Mila fiomanana koa ny fitaterana hisorohana ny fahatarana eo am-pidirana. Rahampitso talata no hiatrika ny fanadinana CEPE ny mpiadina […]

« Fetiben’ny haiady »: Nampiseho ny fahaiza-manaony ny FDS

Natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolon­tsaina Mahamasina, ny sabotsy teo, ny fetiben’ny haiady nokarakarain’ny eo anivon’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS). Tanjona ny hanehoana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eo anivon’ny FDS satria tafiditra ao anatin’ny kolontsaina miaramila ny fifehezana ny haiady, araka ny fanazavan’ny filohan’ny komity mpanomana ny fankalazana […]

«Échec» – maneran-tany : Tao anatin’ny ekipa afrikanina i Fy Antenaina

Notontosaina ny 11 hatramin’ny 15 jona teo, tany Lon­d­res, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Échecs (Blitz & Rapide). Tsy diso anjara i Madaga­sikara, fa nanana solontena, tamin’ny alalan-dRakotomaharo Fy An­tenaina. Anisan’ny mpilalao nandrafitra ny ekipa afrikanina mantsy izy tamin’ity fifaninanana ity. Teo amin’ny vokatra kosa, laharana faha-29 ny ekipa […]