Mbola loha-laharana amin’ny vaovaon’ny fanatanjahantena aloha ny mahakasika ny kianja Barea, Mahamasina. Tsy misy zavatra afenina ny amin’io fotodrafitrasa io fa miharihary toy ny masoandro be lohataona. Mahonena anefa fa misy ny manao toy ny mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no soavaliana. Manatsatso sy mamendrofendro andro aman’alina. Manao […]
Taratra
Rugby ho an’olona 7 – «Challenger series 2025»: Laharana fahenina ny Makis de Madagascar
Tsy nitsanga-menatra ny Makis de Madagascar, nandritra ny dingana voalohany niadiana ny “Challenger series”, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Nitana ny laharana fahenina i Madagasikara. Tsara toerana amin’ny fiadiana ny laharana 8 voalohany. Nifarana omaly alahady, tao amin’ny Kianja Athlone Stadium ao Afrika Atsimo, ny dingana voalohany amin’ny […]
Karate : Miverina ny fitiavan’ny olona ny taranja
Feno hipoka ny Kianja mitafon’i Mahamasina, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy, ny faran’ny herinandro teo. Porofon’ny fiverenan’ny fankafizan’ny olona ny taranja karate izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasion’ny karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile. Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny […]
TARATRY ny KANTO
Tontosa omaly ilay fandaharana mivantana tamin’ny tambajotra, nentanin’i Hanta Ramakavelo sy i Mirana Haller. Nanodidina ny lohahevitra “Teny malagasy iainana” sy ny “Laka –Laza” ny famakafakana nentin’izy mirahavavy nandritra izany. Izay mahazo laka dia manjaka ka malaza. Ahoana no atao mba hahazo laka izay tsara ao anatin’ny tena? Eo amin’izay […]
Anisha Jo : Nalai-nisaraka tamin’ireo mpankafy
Seho avy amin’ny fo. Mahafehy tanteraka ny natolotr’i Anisha Jo, omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena izay. Nalai-nisaraka tamin’ireo mpankafy izy, ary izay rahateo no antom-pisian’iny seho fahatelo, nandritra ny fandalovany an-tanindrazana iny. Noporofoiny indray, fa manan-kozaraina amin’ireo izay tia azy ity mpanakanto ity. Tsy niala teny aminy ny tsiky, nampiaina […]




