Taratra

Hakan’ny mpianatra traikefa : Mijoro ny fikambanana ES.DES

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy teo, tetsy Fiadanana, ny fijoroan’ny fikambanan’ny mpi­anatra eo anivon’ny sekoly tsy miankina ES.DES. Mba hahafahan’ny mpianatra mifanampy sy mifampizara traikefa amin’ny fianarana sy amin’ny sehatra marolafy ny antony nananganana io fikambanana io, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny sekoly. Tanjona ny hahafahan’izy ireo maka traikefa […]

Fanabeazana : Nitondra tohana ny avy amin’ny Unesco

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèlle, ny talem-paritry ny Unesco aty Afrika Atsinanana, Haxthausen Louise. Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fanatsarana hatrany ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara ny roa tonta. Nanolotra fitaovana informatika, nahitana solosaina miaraka amin’ny fitaovana fitehirizana antontan-drakitra entina hanatanterahana ny asa eny anivon’ny minisitera sy […]

Midina ny rano : Miverina amin’ny tranony tsikelikely ny traboina

Efa midina be ny rano amin’ny toerana iva eto Antananarivo taorian’izay andro maromaro tsy nisian’ny ora-mikija izay.Mody tsikelikely ireo traboina Efa miverina any an-tokantranony tsikelikely ireo traboina. Mamonjy ny akany izay tsy maintsy nilaozana rehefa dibo-drano tsy azo niainana. Toy ny eny Ampefiloha Ambodirano, efa tsy misy traboina intsony ny […]

“World Cola PFL” : Afa-bela ny Elgeco Plus

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baoliana kitra “World Cola PFL”. Afa-bela tamin’ny ekipan’ny Dsiciples FC Vakinankaratra, tompondaka farany, ny Elgeco Plus Analamanga, laharana faharoan’ny fifaninanam-pirenena tamin’ny taon-dasa. Lalao natao ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium By-pass. Resin’ny […]

Taranja lomano malagasy : Hanamboatra fotodrafitrasa maro ny MJS

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­ga­si­kara, taranja lomano, ho an’ny dobo filomanosana 25 m, omaly, teny amin’ny Essca Antanime­na, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, (MJS), Marson Moustapha Abdulah. Nilaza ny tenany fa vonona ny fitondram-panjakana hanohana ny taranja sy ireo atleta izay miaro […]