Miara-miombon’antoka ny fanjakana malagasy sy ny orinasa sinoa, Sinomach, miaraka amin’ny teknisianin’ny Akademia sinoa misahana ny siansa ny fambolena any Hainan. Mifantoka amin’ny fananganan’ny Sinomach tohodrano lehibe hanondraka tany 1 000 ha any amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Moramanga, ny tetikasa. Tanjona ny hahafahana mifehy ny rano, ka hitombo avo roa […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 2 000 ny zana-kazo voavoly any amin’ny kaominina Imerina Imady, ny sabotsy teo. Nisy ny hazo nambolena manamorona ny sisin’arabe, hanomezana endrika ny tanàna. Mirefy 4,5 km ihany koa ny lalana namboarin’ny fokonolona, mampitohy fokontany telo (Ambohibary, Mandritsara ary Antanimena) sady nambolena hazo zahana sy frêne ». Nitarika ny […]
Toamasina : Ho vita amin’ny oktobra ny « voie rapide »
Vita ny 40%! Mampifandray mivantana ny lalam-pirenena faha-2 sy ny seranan-tsambon’i Toamasina ny arabe «voie rapide», mirefy 9,66 km, ataon’ny orinasa Sinohydro. Nijery ifotony tany an-toerana ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa mahavelombolo ny fizotry ny asa, satria latsaka kely ny 40% […]
Fandanjana fiarabe : Tsy misy intsony ny fandeferana folo isan-jato
Miverina amin’ny asany indray ireo toby fandanjana fiarabe eny amin’ny lalam-pirenena faha-2, nanomboka ny herinandro lasa teo. Voakasik’izany ny eny Ambohimalaza (Antananarivo) sy ny any Antsarakofafa Toamasina. Tafapetraka ary efa miasa ny fitaovana vaovao fandanjana (pèse essieux fixe), tamin’ny alalan’ny tetikasa PDDR, famatsiam-bola Banky iraisam-pirenena. Miasa andro sy alina, isan’andro, […]
INDRAY MIJERY
Efa any amin’ny 150km atsimon’ny Cap ste marie no nisy ny foiben’ilay rivodoza Honde, omaly. Mikisaka manalavitra ny morontsiraka izy io saingy mbola manova ny toetry ny andro ny rahona miaraka aminy. Nahazo fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsakorana kosa ny faritra Boeny, sy ny distrikan’i Mampikony, Boriziny, Antsohihy, Analalava ary Besalampy. […]




