Taratra

Indray mijery

Ambony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Avo telo hatramin’ny efatra heny amin’ny fetran’ny OMS ny refy rehetra voaray ka mankarary ireo olona marefo. Vinavinaina hijanona ho ambony hatrany ny tahan’ny izany ao anatin’ny telo andro ho avy ka tokony hitandreman’ireo olona marefo. Mbola mijanona ao anatin’ny andro mafampana amin’ny […]

Ho an’ny faritra 14: hitombo ny rotsakorana amin’ity volana ity

Ho an’ity volana ity, vinavinaina hifanaraka na hanatombo kokoa noho ny tokony ho izy ny rotsakorana ho azo ho an’ny faritra Diana, Sava, Ambatosoa (tapany avaratra), Sofia (sisiny avaratra), Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana (tapany avaratra), Ihorombe (tapany atsinanana), Atsimo Atsinanana, Fitovinany, Vatovavy (tapany atsimo), Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania sy Vakinankaratra […]

Taolagnaro: mifanohana ny tomponandaikitra

Nihaona mivantana, ny talata teo, ireo ben’ny Tanàna ao amin’ny distrikan’i Taola­gnaro sy ireo solontenam-panjakana izay notarihin’ny governoran’ny faritra Anôsy, Rako­tovelomanantsoa Voa­hary, miaraka amin’ny solombavambahoaka… Nandinihana ny fampi­harana ny didim-panjakana N°2020-833 mamaritra ny fitantanana, fampiasana ary fanaraha-maso ny famatsiam-bola natokana ho fanohanana ny sehatry ny fampandrosoana (CIAD) ampiasain’ireo solombavambahoaka eny […]

fanentanana sy ny fizarana fitaovana: nitombo ny tahan’ny fanasana tanana amin’ny EPP 30

Misoroka aretina maro ny fahazoana mampiasa rano madio miaraka amin’ny savony. Nisy ny ezaka natao amin’ny fametrahana fotodrafitrasa sy paikady hanamorana ny fisitrahana rano ka nampiakatra ny tahan’ny fikirakirana azy any an-tsekoly sy eny amin’ny tobim-pahasalamana niaraka amin’ny Water Aid. Nisy fanadihadiana natao momba ny tahan’ny fa­nasana tanana amin’ny rano […]

Fampandrosoana: nentanina hiady amin’ny fahantrana ireo Diaspora

Notanterahina tetsy amin’ ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE), tetsy Anosy, omaly ny atrikasa momba ny Politika nasionaly ho fampandraisana andraikitra ireo za­naka am-pielezana “Lettre de politique nationale d’engagement de la diaspora – LPNED”. Nivoitra tamin’izany ny fanentanana ireo zanaka am-pie­lezana mba hiady amin’ny fahantrana ho fampandro­soana ny firenena. Nitarika ny atrikasa […]