Tsy fitaka akory ny lohateny… Efa raikitra fa hotontosaina ny 28 jolay izao, ny “Revy revy mody masoandro” andiany faharoa. Eny amin’ny Parking CCI ivato ihany no hanaovana izany. Mbola hiverina hanafana ny fotoana i Samöela sy ny tarika Mahaleo, izay efa nanao tamin’ny andiany voalohany. Ho avy hanatevin-daharana azy […]
Taratra
TARATRY ny KANTO
Hivahiny ao amin’ny “Sabotsy mifankahita” ny tarika Telofangady. Fandaharana manokana ao amin’ny fahitalavitra RTA izy ity, izay hanomezana sehatra ireo Malagasy mpanakanto sy ny sanganasany. Anjaran-dry Haja sy ny tariny indray ny mizara ny kantony sy ny mombamomba azy ny sabotsy izao, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina. Hitohy […]
Fampivelarana ny kolontsaina : mila hamaroina ny fifaninanana zavakanto
Iray amin’ireo firenena manana kolontsaina sy zavakanto mahaliana izao tontolo izao i Madagasikara. Tsy ampy trandraka anefa izy ireny. Mila mikaroka paikady hoenti-manampy ny fivelaran’ny kolontsaina ny isan-tsehatra ! Any amin’ireo firenena ivelan’i Madagasikara, miraradraraka ny karazam-pifaninanana eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Anisan’izany ny soratra, ny sarimihetsika, ny hosodoko, ny dihy, […]
INDRAY MIJERY
Manana telo andro tsy iasana isan-taona ny mpilatsaka an-tsitrapon’ny orinasa Orange hanaovana hetsika mitondra fiovana ho an’ny mpiara-belona. Mibahan-toerana amin’izany ny sosialy sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Ho an’ity taona ity, 200 ireo hisehatra amin’ny fanentanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Hitohy amin’ity volana jona ity ny hetsika fanatrarana […]
Firaisana ara-nofo aloha loatra : tsy miaro tena ny tanora
Nisy ny fanadihadiana natao ny taona 2020, momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora eto Madagasikara. Notanterahin’ny Univesity of Kwazulu sy ny Heard, tamin’ny tanora 800 (15-24 taona) tamin’ny toerana efatra: Antananarivo, Antsiranana, Toamasina ary Toliara izany. Voasahana avokoa ny tanora mbola mianatra sy ireo tsy mianatra intsony amin’ny tanàn-dehibe sy ny […]




