Taratra

Filatsahan-kofidina: Mbola ambany ny fan­draisa­na anjaran’ny vehivavy

Anisan’ny tolo-kevitry SADC sy ny OIF ary ny UA, nandritra ny tatitra momba ny fizotran’ny fifidianana ny fampirisihana ny fandraisan’ny vehivavy anjara ao anatin’ny fifidianana. Mbola ambany ny tahan’ny vehivavy ao anatin’ny fitantanana sy fandraisana fanapahan-kevitra eo amin’ny raharaham-pirenena, raha ny eto amintsika. Taorian’ny taona 2013, nanaovan’i Mada­gasikara sonia ny […]

Antenimierampirenena : Vao hofaritana ny fandaharam-potoana

“Miverina manomboka ny 6 jona ny fivorianay, hanapaka ny fandaharam-potoana. Ho hita amin’izay ny ho fandehany”, hoy ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, teny Tsimbazaza, omaly. Tsy maintsy tafiditra amin’izany ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2024. Toy ny mahazatra hatramin’izay, fotoana fohy dia fohy no omen’ny governemanta hahazoana mijery ny lalàna mifehy […]

Miadana Fabien Privat : “Tokony hiaina fangaraharana koa ny kandidà”

Tsy mampitovy fijery be ihany amin’izao ny fironan’ny voka-pifidianana depiote. Hanao ahoana? Ifandroritana amin’izany ny hoe fahamarinana sy fangaraharana. Maneho ny fijeriny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olompirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Tsy ny mpikarakara fifidianana ihany no ilana fangaraharana, fa tokony hiaina an’izay koa […]

Distrika sy kaominina ao Vavatenina : tsy nahitana fampandrosoana taorian’ny taona 1960

Anisan’ny distrika iray amin’ ireo enina mandrafitra ny faritra Ana­lanjirofo i Vava­tenina. Ahitana kaominina 11 man­drafitra azy, izay mifanila amin’ Ambatondrazaka. Mahatratra hatramin’ny 119 kilometatra ny halaviran-dalana raha miainga avy any Toamasina. Ma­haritra fotoana ela ny fahavitana ny dia noho ny haratsian-da­lana. Tsy misy fampandrosoana mihitsy ny fotodrafitrasam-panjakana eo anivon’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nojeren’ny Banky iraisam-pirenena ny fanamboaran-dalana vatsiany vola. Anisan’izany ireo lalana nosimbain’ny rivodoza Gamane farany teo. Nihaona tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, Andrianatrehina Ndriamihaja, ny solontenan’ny BM eto amintsika, Atou Seck, ny 5 jona teo. Miaraka hankalazaina any Toliara ny Andro maneran-tany, ho an’ny Tontolo iainana (JME) sy ny Andro maneran-tany […]