Taratra

Fiomanana amin’ny kolerà : nanolotra fanafody i Rosia

Natolotra omaly, teny Andraharo, foiben-toeran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), ny fanampiana ho an’ny fitsaboana eto Madagasikara avy amin’ny tetikasa iarahan’ny OMS sy ny fanjakana rosianina. Hitondrana tolotra fitsaboana ho an’ireo mila izany taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane ny fampitaovana sy ny fanafody nomena. Misy fanafody hiatrehina ny valanaretina […]

CEG Ambohidratrimo : haseho an-tsary ny hetsika hiarovana ny tontolo iainana

Nanatanteraka hetsika teny amin’ny CEG Ambohidratrimo ny orinasa Orange. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana izany Nampahafantarina teny an-toerana ny fisian’ny sehatra iray nataon’ny vondrona Orange ahazoan’ny mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo hisafidy asa iray, hitondra fanovana (Engage to change) ho an’ny fiarahamonina. Ni­om­pana tamin’ny fanentanana momba ny […]

Rasoamaromaka Hery : “Tsy maharesy lahatra vahoaka ny paikadin’ny mpanohitra”

Ho tonga hatraiza ny fanoherana ny voka-pifidianana depiote etsy sy eroa amin’izao? Tsy maharesy lahatra ny vahoaka hatramin’izay ny paikadin’ny mpanohitra, raha ny nambaran’ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV. Fanehoan-kevitra… “Tsy maharesy lahatra ny vahoaka hatramin’izay ny paikadin’ny mpanohitra”, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoa­maromaka Hery, […]

Korea- Madagasikara: hiara-hiasa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ny fambolena

Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Korea, nandritra ny fihaonana an-tampony Korea-Afrika. Anisan’izany ny mahakasika ny harena an-kibon’ny tany, eo koa ny fampiroboroboana ny fambolena. Maro ny fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta, mandritra izany fiaraha-miasa izany. Anisan’ny vokatsoan’ny fihaonana antampony Korea-Afrika izao. Raha tsiahivina, mifanindran-dalana amin’ny Politika ankapoben’ny […]

Vovonana IRMAR: “Aoka samy ho tony!

Misokatra ho an’ny rehetra, indrindra ireo kandidà, ny fahafahana manamarina sy manao fampitoviana ireo fitanana an-tsoratra eny amin’ny Ceni Alarobia. Anisan’ny nijery ny zotram-pikirakirana ny vokatra teny an-toerana ireo kandidà avy amin’ny vovonana Irmar. Nanatanteraka fidinana ifotony, teny amin’ny foibe toeran’ny Birao mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), teny Alarobia, […]