Taratra

Hamongorana ny lefakozatra : hitety sekoly ny mpanao vaksiny

Nomarihin’ny solontenan’ny OMS, izay nisolo tena ny Imep sy ireo mpiray ombon’antoka eto Madagasikara, fa tato anatin’ny fito volana, tsy nisy ny trangana lefakozatra manerana ny Nosy. Miroso ny ezaka hamongorana ity aretina ity. Tanterahina manerana an’i Madagasikara, na­no­mboka omaly hatramin’ny zoma ho avy izao, ny hetsika vaksiny faobe fanefitry […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanainga anio, hihazo ny Debrecen, ny Ankoay lahy, hiatrika ny fifaninanana hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny «lalao Olympika Paris 2024», taranja basikety 3×3. Ao amin’ny vondrona A no misy an’i Madagasikara, hifandimby hihaona amin’izy ireo ao i Allemagne, Suisse ary Lithuanie. Nihintsana teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana avokoa ireo solontenan’i […]

Ecole de Rugby Manjakamiadana : nanome fitaovana ireo kilonga i Jeanne Sorrin

Fihetsika tsotra nefa feno fitiavana sy fanetren-tena no nataon’i Jeanne Sorrin, ilay Malagasy mpilalao rugby, mipetraka any Frantsa avy nanatevina ny Makis Ladies niatrika ny “Can 2024”, farany teo. Nialoha ny nandaozany an’i Madagasikara, tonga nitsidika ny Ecole de rugby Manjakamiadana ny tenany, omaly talata. Nitondra izay voarambin’ny tanany izy, […]

“Motocross – Mada 2024”: hatao any Manakara ny dingana fahenina

Hotanterahina any Manakara, ny 19 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Motocross, dingana fahenina. Fotoana iray ahafahan’ireo Malagasy mpilalao moto eto Madagasikara manamafy ny toerany amin’ny fifaninanana nasionaly, indray. Tsiahivina fa nandritra ny dingana fahadimy, izay natao tany Datsara, ny 31 marsa lasa teo, azon’i […]

Kitra – « Mondial 2026: hatao any Afrika Atsimo ny lalao roa an’ny Barea

Tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny Caf ny kianja Barea, ny alahady lasa teo. Namoaka ny kianja handraisana ny lalao roa hihaonan’i Madagasikara amin’i Comores sy Mali ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF), nandritra ny fivoriana natao omaly, hotanterahina any […]