Andro vitsy sisa, tafiditra ao anatin’ ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy » i Madagasikara. Vanim-potoana fanarenana ny lesoka. Fampahatsiahivana ny tantara sy fanitsiana ny dia ihany koa anefa. Anisan’ny niteraka ny « Raharaha 13 mey 1972 » ny fanaovana tsinontsinona ny mpianatra malagasy. Tafiditra tao anatin’izany ny fampiasana ny teny malagasy […]
Taratra
Tsy fahafehezana lalàn’ny fifamoivoizana : 18 ny maty, 203 naratra tamin’ny fitondrana moto tamin’ity taona ity
Ny toe-tsaina sy ny toe-po ary ny fihetsik’ireo mpitondra kodiaran-droa eny an-dalana no tena antony voalohany mahatonga ny lozam-pifamoivoizana. Tsy foana fa miha mitombo hatrany ny tahan’ ireo tranga sy ny fahafatesana vokatr’izany. Manodidina ny 70 ny trangana lozam-pifamoizana tamin’ny kodiaran-droa (moto) teto Antananarivo sy ny manodidina, teo anelanelan’ny volana […]
FANTINA sy FINTINA
“Tsy mbola hita soritra hatramin’izao ny fanovana nirintsika. Ny mpitondra no niova fa ny hadisoana sy ny fanao tsy mety miverina hatrany”, hoy Andrianainarivelo Hajo. Nanteriny fa manamarika ny tantara tokoa ny 13 mey. Tsy tokony ho kivy anefa fa antony hanohizana ny ady amin’ny fanovana izany. “Hatsahatrintsika amin’ny 29 […]
Fihoaram-pefy amin’ny fampielezan-kevitra : nentanin’ny Ceni hitoroka ny olon-tsotra
Nambaran’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, i Soava Andriamarotafika, fa efa maromaro ny fitarainana voaray avy amin’ny kandidà, manoloana ny tsy fanarahan-dalàna hitan’ny sasany amin’izany. “Entanina koa isika olom-pirenena hanao izany raha mahita tsy fanarahan-dalàna sy fihoaram-pefy amin’izao fampielezan-kevitra izao”, hoy izy, teny Alarobia, omaly. Nanteriny fa tsy mbola naka fepetra aloha […]
Resin’ny fiainana
Atao ihany ny tsy hiteny fa nakombona ny vava. Niniana nakimpy ny maso, notampenana ny sofina, manoloana ny andavanandron-dRamalagasy sy ny fahantrana lalina izay lalovany. Tsy hita ny hanazavana azy fa toa very sy mikorontan-tsaina avokoa ny olona. Malok’endrika sy mitanondrika izay rehetra mifanena eny an-dalana. Sanatrian’ny vava ho […]




