Taratra

Betaikena : tratran’ny Tafika i Davory sy Boloko

Voasambotry ny Tafika tao Betaikena Morafenobe, afakomaly, ny dahalo roa lahy fantatra amin’ny anarana hoe i Davory sy Boloko. Ireo miaramila ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana Tsiribihina no na­hasambotra ireto malaso ireto tao Soabaiboho, fokontany Betaikena. Fantatra nandritra ny famotorana savaranonando fa ry zalahy ireto no tompon’antoka tamin’ny fitifirana polisy […]

Fiara 4×4 namoa-doza: olona roa namoy ny ainy, telo naratra

Nandriaka ny ra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, tao Ambositra tampon-tanàna, omaly. Maty tsy tra-drano ny lehilahy roa. Olona telo hafa nentina namonjy hopitaly. Tapaka hisatra, namoa-doza ny fiara tsy mataho-dalana iray avy any Andre­fantsena, Ambositra, omaly ma­raina, tamin’ny 8 ora. “Voa­faoka ny mpandeha an-tongotra, ny posy nandalo tamin’ny arabe, fiara hafa […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny CGM Analakely, ny « Sokaf’hehy ». Fampisehoana ha­tsikana, iarahana amin’ireo Malagasy mpanao hatsikana vao misandratra. Misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara sy ny fampisehoana. Tanjon’ny hetsika ny hampiroborobo ny hatsikana, indrindra ny “Stand Up”, eto Madagasikara. Hahazo vahana ny ankizy ao anatin’ny hetsika “Heure […]

« Festival de Cannes 2024 » : handray anjara ny Apaser sy ny RFC

Tanterahina ao amin’ny Palais des festivals ao Can­nes, France, nanomboka ny 14 mey hatramin’ny 25 mey 2024, ny « Festival de Can­nes », andiany faha-77. He­tsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ ny sarimihetsika maneran-tany. Fifaninanana maro, atrikasa, velakevitra sy valandresaka arahina adihevitra, iarahana amin’ireo sangany sy manana ny maha izy azy […]