Taratra

Fahazoana mariboninahitra: Ramatoa mpisoloky, maka 35 000 Ar

Vola an-tapitrisany no efa azony! Renim-pianakaviana iray ao Toamasina no misoloky ho afaka mikarakara fahazoana mariboninahitra haingana ara­karaka ny hangatahan’ny olona. Rehefa hitany fa roboka ny olona solokiany dia mody hasehony lisitra fa hoe ireto avy ireo efa miandry sonian’ny filohan’ny Repoblika. Lazainy mihitsy aza fa hapetaka amin’ izao daty […]

Mahavatse Toliara : jiolahy roa maty rotiky ny balan’ny polisy

Jiolahy roa indray maty voatifitry ny polisy nandritra ny fifampitifirana tao Mahavatse Toliara, omaly tamin’ny 1ora sy 45 mn. Nandritra ny fanafihan-jiolahy tao an-toerana no nisian’ny fifandonana. Tsy mikely soroka ny polisy amin’ny famongorana ny asan-jiolahy miseholany ao Toliara sy ny manodidina. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisin’ny UIR no nahazoan’izy […]

Grand salon économique de Madagascar : mampivondrona mpandraharaha samihafa

Nanomboka ny alakamisy ka haharitra telo andro ny hetsika «Grand salon économique de Madagascar», an­diany voalohany, karakarain’ ny Union Madagascar izay atao eny amin’ny araben’ny fahaleovantena Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny toekarena ao an-toerana izany noho izy mampivondrona ireo mpandraharaha rehetra amin’ny toerana iray. Anisan’izany ny fadin-tseranana malagasy izay […]

VAOVAO TAMBATRA

Voatendry ho tale jeneralin’ny orinasa Jirama ilay injerniera israelinina Ron Weiss. Hametraka paikady ho fanarenana ny orinasa ny tenany izay hiompana tanteraka amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina toy ny tetikasa Volobe sy Sa­hofika ary ny fametrahana ny toby mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny masoandro. Hanohana ara-bola ny fandaharanasa (PAGFCE) ho […]