Taratra

Rugby vehivavy – «Can 2024» : vonona hanala vela amin’i Kenya i Madagasikara

Hifantoka amin’ny lalao rugby, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrique (CAN 2024), sokajy vehivavy, avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena anio. Hotanterahina eto Madagasikara ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Mondial 2025”. Hanomboka anio sabotsy, etsy amin’ny kianja Makis Andohatape­na­ka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy vehivavy, taranja rugby lalaovina olona 15 (Can […]

CHU Mahavoky Atsimo: arifomba ny fitaovana fitiliana tsinay sy vavony…

Nisitraka fitaovana ara-pahasalamana avo lenta ahafahana manao fitiliana ny lalan-kanina sy ny vavony ary ny tsinay ny CHU Mahavoky Atsimo ao Mahajanga. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Australian Doctors for Africa (ADFA) avy any Austra­lie no nahazoana izany. Nanazava ny talen’ny CHU Mahavoky Atsimo fa amin’ny alalan’ny « […]

107 ny toeram-panofanana mpampivelona : fandaharam-pianarana tokana no homena ny mpianatra

107 ny isan’ny ivontoeram-panofanana mpampivelona eto Madagasikara ary ny enina amin’ireo miorina eny amin’ny renivohi-paritany ary tantanin’ ny fanjakana. Ny ambiny saha­nin’ny sehatra tsy miankina avokoa. Misy teti­kasa hametraka fandaharam-pianarana iraisan’ny ivontoeram-panofanana rehetra eto amintsika mba ho fahalalana mitovy no azon’ny mpiofana rehetra. Vina koa ny hanatanteraka fanadinana tokana ho […]

Skoto: Iantsoana mpilatsaka an-tsitrapo any Egypta

Ho an’izay vonona sy mahafeno fepetra, manentana ireo mpilatsaka an-tsitrapo hanampy amin’ny fikarakarana ny “World Scout Conference”, any Egypte, ny skoto. Hahazoana tombony sy traikefa amin’ny fikarakarana hetsika avo lenta iraisam-pirenena ilaina amin’ny “Confé­rence Africaine 2025” izany. Tsy mandoa saran-dasy izay ho any an-toerana, ary hiantohana ny hipetrahana sy ny […]

Toeram-piofanana ho mpanao gazety : hiara-kiasa ny GEPIMM sy ny AMFM

Nanatontosa soniam-piarahamiasa ny GEPIMM sy ny AMFM, omaly. Tanjona ny hanampiana sy hanofanana mpanao gazety ho matihanina eto Madagasikara. Nanao sonia fiaraha-miasa ny Groupement des éditeurs de presse d’information mul­timédia de Madagascar (GEPIMM) sy ny fikambanana Actions médias francophones Madagascar (AMFM), omaly, tetsy Antanimena. Tanjona ny hananganana toerana hanofana mpanao […]