Eo am-panomanana ny hamoahana boky “Folo folahana an-kabary”, ankehitriny, i Anthonio Rico. Mpanoratra sady mpikabary manana traikefa eo amin’ny fampitam-pahalalana. Boky misy fizarana dimy, ahitana karazan-kabary samihafa. Anisan’izany ny fandrika an-kabary, kabary ankaratsiana, ny ankafaliana, ohabolana… « Boky tsy mena-mitaha amin’ireo efa nivoaka hatramin’ izay izy ity, satria, mitana ireo andraikitra […]
Taratra
« AF Mobile » : tanjona ny hisarihana ny mpianatra ho liana amin’ny haikanto
Nandritra ny hetsiky ny Alliance française, tao anatin’ny “AF Mobile” no nanomezana tosika ireo ankizy sy tanora, mpianatra, misehatra eo amin’ny tontolon’ny haikanto. Eo koa anefa no nisarihana ireo mbola variana amin’ny zavatra hafa. Tontosa omaly, teny anivon’ireo sekolim-panjakana sasany, teto amin’ ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra, ny fidinana ifotony nataon’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Hentitra ny filohan’ny Repoblika tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly. “Aoka samy handray andraikitra tandrify azy sy hiara-kientana ary hifanome tanana ho fanasoavana ny vahoaka, indrindra ireo marefo amin’ny fanapariahana ny hazavana ho anao”, hoy izy. Nanteriny fa laharam-pahamehana izany ary mifandraika amin’ny fiainam-bahoaka. Handray anjara amin’ny fivoriana isan-taona […]
vovonana firaisankina : mbola mitsipaka ny fifidianana teo aloha
Nihaona, nandritra ny ora roa, teny Andranomena, afakomaly, ny masoivohon’i Etazonia, i Claire Annette Pierangelo, sy ireo mpitarika ny Firaisankina. Nitatitra ny dinika ny mpitondra tenin’ny vovonana, i Paraina Auguste. Nambarany fa henjankenjana ny fihaonana ary samy tsy nitsitsy fitenenana. Nomarihiny anefa fa ny ambasadaoro no niantso azy ireo tamin’izany. […]
Afa-baraka ilay firenena
Nahoraka maneran-tany ny mahakasika ireo biby efa ho lany tamingana eto Madagasikara kanefa nisy nanondrana, tonga any Thailand, omaly. Tsy mba hoe biby iray na roa fa dia sokatra aman’arivony sy gidro efa amam-polony maro. Ahoana no hahatanteraka ny fanondranana izany kanefa tsy misy mahita na voasakana eto amintsika? […]




