Taratra

Inter-Media 2024 : fantatra ireo ekipa iray vondrona

Tontosa tetsy amin’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) etsy Ambohidahy, ny antsapaka ahalalana izay iray vondrona amin’ny fifaninanana iraisan’ny mpampahalala vaovao na ny Inter-Media 2024. Fifaninanana tanterahina etsy amin’ny kianja Annexe Mahamasina, ny sabotsy 4 mai ho avy izao. Anisan’ireo manana ekipa be indrindra ny vondrona Ultima-Media, misy ny […]

Rugby – «Can vehivavy 2024» : nahazo fankatoavana ny kianja Makis Andohatapenaka

Afaka mandray lalao iraisam-pirenena ny kianjan’i Maki. Nankatoavin’ny Rugby Afrique fa mahafeno ny fenitra sy ny fepetra takina ny toeram-pilalaovana eny Andohatapenaka. Tsy misy ahiahy intsony fa hotanterahina eto Ma­dagasikara, manomboka ny sabotsy 4 mai ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby vehivavy, lalaovina olona 15 […]

Fandrobana taxi-moto: jiolahy iray maty, roa azo sambo-belona

Maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny zandarimaria ny jiolahy iray tompon’antoka tamin’ny halatra moto tao Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, ny alatsinainy 27 avrily teo. Lehilahy miisa efatra nanofa taxi-moto niainga tao Arivonimamo hihazo an’i Miandrandra. Namoaka basy anefa ireo olon-dratsy tao Ankilomaka. Voatifitra ny iray tamin’ireo mpitondra moto. Nahay nandositra ny […]

grevy teny vontovorona: Raikitra ny tora-bato sy grenady

Nirefodrefotra indray ny grenady lakrimozena teny Von­tovorona nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpianatra, afakomaly. Tsy nifan­kahitana ihany koa ny tora-bato sy tapa-biriky. Teo koa ny fandorana kodiarana. Nipari­taka manerana ny lalana ny tapa-biriky sy vato ary siniben-drano iray. Mpianatra iray naratra nandritra ny fifando­nana teo amin’ny mpianatry ny politeknika sy ny […]

Halatra omby : dahalo roa lahy lavon’ny bala

Dahalo mpangalatra omby maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao Ambatoasana, fokontany Ankidona avaratra, koaminina Soavimbazaha, distrikan’i Miarinarivo, ny 28 avrily teo. Nitrangana halatra omby tao amin’io fokontany io, ny 18 avrily lasa teo tamin’ny 1 ora maraina. Niroso tamin’ny fikarohana ny zandary ka voasambotra ny olona efatra ahiahina tamin’ny fangalarana. […]