Taratra

Fipoahana herinaratra : Trano lehibe iray kila hotohoto teny Bemasoandro Itaosy

Nandravarava indray ny afo teny Ankadilalana, Bemasoandro Itaosy, omaly tolakandro. Trano lehibe iray misy rihana kila hotohoton’ny afo. Lasa lavenona ny ankamaroan’ireo entana tao an-trano. Ny akanjo teny an-koditra sisa! Nitrangana haintrano indray teny Ankadilalana Bemasoandro Itaosy, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Trano gasy lehibe iray misy rihana no kila […]

Lalana RN35 : narenina vonjimaika ny tetezan’i Berintsa

Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana. Efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny lalam-pirenena RN 35, mampitohy an’i Malaimbady sy Morondava, faritra Me­nabe. Raha tsiahivina, nahatsikaritra ny fahasimbana teo amin’ny tetezan’i Berintsa (PK 357 + 900) ny ekipan’ny Fitan­tanam-paritry ny Asa vaventy DRTP any Menabe, ny alarobia 24 avrily teo. Niteraka […]

VAOVAO TAMBATRA

Vita ny tohodrano afaka manondraka velaran-tany 383 ha any amin’ny lemak’i Manambaro, faritra Anôsy. Zara raha 147 ha ihany no afaka nohajariana tany aloha. Efa rakotra vary daholo ny 70% ny lemaka, ankehitriny, ka miisa 430 ny fianakaviana misitraka azy. Ao anatin’ny tetikasa “Defis”, tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae) ity zava-bita […]

Angovo azo havaozina: tohana ho an’ny orinasa madinika PME

Natao ny zoma 26 avrily teo, teto Antananarivo, ny fanombohana ny « Fandaharanasa tohana ho an’ny mpisehatra amin’ny angovo azo havaozina maharitra » (IED). Tafiditra ao anatin’ny Famatsiam-bola ho an’ny mpisehatra voakasika amin’ny angovo azo havaozina (FIER), avy amin’ny tahirim-bola ho an’ny Tanjona ho fampandrosoana maharitra (ODD) amin’ny taona 2030, napetraky ny […]

Taolagnaro : tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro 8MW

Miampy hatrany ny famokarana angovo azo havaozina any Taolagnaro. Vita ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ary hiampy famokarana azo avy amin’ny rivotra ihany koa Notokanana ny sabotsy 27 avrily teo, ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro any Ehoala Taolagnaro. Tan­teraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny orinasa QMM […]