Iray volana karotra omaly ny daty hanatanterahana ny fifidianana depiote eto Madagasikara. Samy efa manovokovoka amin’ny vakilain’ny fampielezan-kevitra avokoa ny kandidà sy ny mpanohana. Ny sasany aza efa tsy mahatsapa tena intsony hoe mbola afaka herinandro vao misokatra ilay andro malaza. Tsy mahagaga anefa izany, efa fomba fiady eto […]
Taratra
Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana : “Atsaharo ny fanagadrana ben’ny Tanàna!”
Nanamarika ny fidinana ifotony nataon’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, ny momba ny ben’ny Tanàna. Maro no enjehina sy any am-ponja. Tokony hatsahatra aloha ny fanenjehana azy ireny. Hentitra ary nahitsy ny eo anivon’ny MFFT, manoloana izany. “Atsaharo mihitsy aloha ny fanenjehana sy fanagadrana […]
TSELATRA
Norobain’ny jiolahy ny moto scooter iray marika Kymco G5 teny Ambohitrarahaba, omaly. Naratra mafy vokatry ny vono nataon’ireo mpandroba ilay mpitondra moto. Notsaboina teny anivon’ny hopitaly HJRA izy. Hifampitadiavana ireo jiolahy. Vola mitetina 4 tapitrisa Ar voaroba tao amin’ny tokantrano miisa telo tao Ambohimanarivo, kaominina Imerintsiatosika, ny sabotsy 27 avrily […]
Maintirano: takalonaina efatra avotry ny Emmo/Reg
Ankizivavy 15 taona sy 12 taona ny roa tamin’ireo efatra avotry ny mpitandro filaminana teny am-pelatanan’ny dahalo mpaka an-keriny, tao amin’ny fokontany Bemena, kaominina Andrea, distrikan’i Maintirano, afakomaly. Nalain’ny olon-dratsy teny an-dalana ireo olona efatra ireo, ny 26 avrily teo, tamin’ny 2 ora tolakandro. Samy nanana ny toerana halehany ny […]
Ankoalabe ; Foroche dimy lahy tratran’ny polisy
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ Antalaha, ao Ankoalabe Antalaha, afakomaly, ny jiolahy dimy. Voarohirohy amina raharaha fanakorontanana sy fikambanan-jiolahy mivondrona ao anatin’ny fikamban-jiolahy mpanao herisetra antsoina hoe «Foroche» ry zalahy ireto. Marobe ireo fitairanana voarain’ny polisy momba ny fisiana andian-jiolahy manakorontana sady mampihorohoro ny mponina ao an-toerana. Nidina […]




