Taratra

Nodomin’ny taxi-be : mpitondra moto voa teo amin’ny lohany

Karohin’ny zandary ny mpamily taxi-be mampitohy an’Ivato sy Vassacoss izay nandona olona teny amin’ny sampanan’Ambohimanga Rova, afakomaly hariva. Nifaoka mpitondra moto iray io fiara io, ny alahady 21 avrily teo, tamin’ny 7 ora hariva. Nirifatra nandositra nanohy ny diany tao anatin’ny haizina io fiara nahavanon-doza io. Tetsy ankilany, nidaraboka tamin’ny […]

Ambohidratrimo : Sinoa hita faty teo am-pandriana

Hita faty tao an’efitrano fatoriany, ao amin’ny orinasa iray eny Antanety, fokontany Amboa­sary, kaominina ambanivohitr’ Iarinarivo, distrikan’Ambohi­dra­trimo, omaly, ny teratany sinoa iray 39 taona. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohidratrimo, nahazo fampitam-baovao momba ny fisian’io teratany sinoa hita faty io ny zandary, omaly ta­min’ny 7 ora sy […]

Hira evanjelika : nanjakan’ny fitiavana ny « Hiaka Fiderana 2»

Feno ny Lapan’ny Fana­tan­jahantena sy ny Kolon­tsaina Imahamasina. Fam­pisehoana nanjakan’ny fitia­vana ny « Hiaka Fiderana » andiany faharoa. Fitiavana an’Andriamanitra, fitiavana ny tanindrazana, fitiavana sy fanampiana ny mpiara-belona, fitiavana ny mpiray tanindra­zana, fitiavana sy firaisam-po amin’i Kristy, sns. Ireo hira fiderana anisan’ ny maro mpitia rahateo no nentin’ireo antoko mpihira na tarika […]

TARATRY ny KANTO

Miroborobo fatratra ny kabary! Anisan’ny tsikera mivaivay mahazo ity zavakanto sy kolontsaina malagasy ity ny toeran’ny vehivavy manoloana ny fahafahana mika­bary. Tahaka izany koa ny fahalalahana iainan’ny kabary sy ny mpikabary ankehitriny. Fahiny, ny lehilahy efa mipi-bolo no mikabary. Ankehitriny, ireo tanora vao erotrerony no manao « mpitovo mananatra ny manana ». […]

« Gasikarako » : hiaka-tsehatra ry Telofangady

Rehefa ela niandrasana ny mpitia sy mpankafy… Raikitra fa hanolotra seho kanto ho an’ny rehetra ny tarika Telofan­gady. « Gasikarako », hotanterahina ao amin’ny Ivokolo Analakely, ny alahady 7 jolay izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hampiavaka ity fampisehoana an-tsehatra ity, araka ny fanazavan’izy 5 mirahalahy, fa : « hiran’ny tarika tsy misy fangarony » […]