Taratra

« Opération Harato II » : dahalo mpaka an-keriny lavon’ny zandary

Maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny amin’ny halatra omby sy fakana an-keriny tao Amparihikapika, 7 km avaratra andrefan’ny fokontany Ambohidahy, kaominina Morafeno, distrikan’i Maevatanana, ny 14 avrily teo. Nokarohina nanomboka ny taona 2021, i Gué. Naha­ray fampahafantarana avy tamin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa mihaodihaody tao Ikelimahavoky io […]

Ankadinandriana : dimy lahy mpangalatra omby voasambotra

Tratra tao an-trano fonenany ny lehilahy iray tompon’ antoka tamin’ny halatra omby, tao Ambohinonoka, fokontany Soamonina, kaominina Ankadinandriana, ny 18 avrily teo. Nahatraran’ny mpitandro filaminana nofon-kenan’omby roa gony nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka, tao Ankadimbazimba, kaominina Alarobia Ambatomanga, ny herinandro lasa teo. Nisy nangalatra ny ombin-tsarety ka taolany sisa navelan’ireo […]

Nandrasan’ny dahalo kendritohina : miaramila maty voatifitra

Vao nivoaka ny trano fatoriany, miaramilan’ny Tafika iray lavon’ny balan’ny dahalo tao amin’ny kaominina Bemaha­tazana Tsiroanomandidy, ny 18 avrily teo. Norobain’ireo olon-dratsy ny bala. Nirefodrefotra ny basy! Maty voatifitry ny da­halo teo amin’ny ki­bony ny miaramila iray niasa tao Ampandrana, fokontany Ambatofotsy Tsena, kaomi­nina Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 18 avrily […]

Judo – Tompondakan’i Afrika : handray anjara i Madagasikara

Afaka miatrika tsara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Egypte, ny 23 avrily ho avy izao, i Mada­gasikara. Araka ny vaovao nampitain’i Said Bruno Eric, filohan’ny Federasiona malagasin’ny judo (FMJ), omaly, nahazo ny tapakilam-piaramanidina, telo avy any amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) izy ireo. “Misaotra ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 28 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « Pureplay Football League (PFL) », taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny Fosa Junior Boeny sy ny 3FB Toliara. Nampahafantarin’ny Federasiona malagasin’ny basikety, omaly, fa tsy misy ny vola aloa rehefa […]