Nampitandrina ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, manoloana ireo resabe tato ho ato. Anisan’izany ny momba ny didy sy ny fanapahana raisin’izy ireo. “Misy ny lalàna eto amintsika, ny And. 126 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana milaza mazava tsara fa tsy azo atao fa mahavoasazy ny mitsikera na manaratsy didim-pitsarana”. Io no […]
Taratra
TSELATRA
Mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny polisy tao Antsirabe, afakomaly. Naka fitaovana toy ny fahitalavitra sy kiraro ny roa lahy. Tratra teo am-panatontosana ny asa ratsiny tao Amboronomby kosa ny roa lahy hafa. Vilany dimy sy finday no tratra teny amin’izy ireo. Raim-pianakaviana sy ramatoa iray maty tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo […]
Talatamaty : mpanao taxi-moto maty nohosen’ny kamiao
Mpanao taxi-moto iray maty nipotsaka atidoha vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Bel’air, kaominina Talatamaty, ny alin’ny alakamisy 18 avrily tamin’ny 9 ora sy sasany. Niandry mpandeha teo amin’ny sisin-dalana niaraka tamin’ny namany io mpitondra moto io. Nandalo tampoka anefa ny kamiao lehibe iray nitodi-doha hihazo ny lalan’ Ambohidratrimo. Nianjera ilay mpanao […]
3 tapitrisa Ar voaroba : raim-pianakaviana voatifitra
Voatifitry ny olon-dratsy teo amin’ny tanany ny raim-pianakaviana iray, nandritra ny fandrobana nataona dahalo tao Mangasoavina, distrika Tsiroanomandidy, ny 18 avrily teo. Mody nandodona tao an-trano, nitady vonjy fa misy olona marary mila fanafody maika ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Namoha ny varavarana ny tompon-trano sady nitazona basy. Nahita io raim-pianakaviana io […]
Nianjera tampoka: Zaza 3 taona, maty tao an-davadrano
Zazalahy 3 taona latsaka tsy nahy tao an-davadrano efa tsy niasa intsony, tao Tsiroanomandidy, afakomaly. Niezaka nanavotra azy ny havany saingy tsy tana ny ainy. Zazalahy telo taona, antsoina hoe Alvino, namoy ny ainy nianjera tao an-davadrano, tao amin’ny fokontany Andrefanigara, kaominina Tsiroanomandidy, ny 18 avrily teo tamin’ny 11 ora […]




