Mandeha tsara, na ato anatiny na any ivelany, ny fitetezam-paritra ataon’ny mpitondra. Ny diplaomasia aloha tena miroborobo sy mamirapiratra aoka izany. Ny ato anatiny indray, mainka misongadingadina eny ny bokotra sy ny ekipany. Inona moa fa mibaribary ny fitohizan’ny raharaham-panjakana. Mandeha ny fihainoana ny hetahetam-bahoaka. Mitohy ny fitokatokanana ny […]
Taratra
SADC : Hodinihina manokana ny momba an’i Madagasikara
Nandinika manokana momba ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ireo filoham-panjakana 16 mpikambana eo anivon’ny vondrona Sadc, tany Botswana, omaly, araka ny fampitam-baovaon’ny Sadc. Nitarika izany ny filohan’i Afrika Atsimo, i Matamela Cyril Ramaphosa. Nodinihina ny fivoaran’ny toe-draharaha politika sy ny filaminana eto Madagasikara. Nojerena tamin’ny antsipiriany ny tatitr’ireo iraky […]
TSELATRA
Sambo rendrika an-dranomasina teo anelanelan’Andevoranto sy Vatomandry, afakomaly hariva tamin’ny 7 ora. Tantsambo 12 sy mpandeha 6 avotra soa aman-tsara taorian’ny loza. Niainga avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo LCT Caroline ary nikasa hihazo an’i Taolagnaro, nitondra entana 254 taonina sy olona 18 tao anatiny. Lehilahy iray 19 taona, […]
Raim-pianakaviana voatafika: 4 tapitrisa Ar haterina any amin’ny banky voaroba
Miseholany ny trangana tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Raim-pianakaviana hanatitra vola any amin’ny banky no notafihin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Niseho tao Ambolomadinika, teo anoloan’ny tranombarotra fivarotana Fave, distrikan’i Toamasina, ny tranga. Miasa amina tranombarotra iray misehatra amin’ny fivarotana kojakoja amin’ny fanaovan-trano ity lasibatra ity. Mpiasa efa […]
Akon’ny fetim-pirenena 26 jona : Olona enina nikasa hamono tena
Enina ireo olona narary vokatry ny fikasana hamono tena nandritra ny roa andro fankalazana ny fetim-pirenena, 25 sy 26 jona teo, raha ny tatitra nataon’ny HJRA Ampefiloha, omaly. Nahitana lehilahy roa sy vehivavy roa ary ankizy roa. Telo ny olona maty teo anivon’ny hopitaly, efatra hafa maty avy any ivelany, […]





