Taratra

Tarika Didy Alfa : nodimandry i Telina

Tohina ny fon’ny rehetra, indrindra ny mpankafy raha nahare ny fahalasanan’i Telina na Razafindrabary Telintsoa. Ny marainan’ny asabotsy 14 janoary 2023 ity mpanakanto evanjelika ity no nindaosin’ny fahafatesana. Araka ny vaovao navoakan’ny tarika Didy Alpha, tampoka tanteraka izao fahalasanan’i Telina izao. “Izaho mbola tsy miova fa mbola tia anao foana […]

Kabary – Vanim-potoana manan-tantara : hosokafana ny faha-60 taonan’ny Fi.Mpi.Ma

Nambara nandritra ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny kabary, notantera­hin’ny Fikambanan’ny Mpi­kabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma), omaly, tao amin’ny Le Pavé Antani­na­renina fa hosokafana ny 18 febroary izao ny faha-60 taonan’ity fikambanana zokiny indrindra eo amin’ny sehatry ny kabary ity. Eo amin’ny Lapan’ny tanànan’Anta­nana­rivo Renivohitra, Analakely no handrehetana ny fanilo miampita izay […]

Famoahana boky : misongadina ny asa soratra “Trafika”

Tontosa ny asabotsy 14 janoary 2023, teny amin’ny Institut Français de Madagas­car na IFM Analakely ny fampahafantarana ny boky “Trafika”. Tantara mitohy an-tsary, voasokajy ho isan’ny nahita fahombiazana teto an-toerana hatrany ivelany. Maro no tonga nanatrika izany fampahafantarana izany sangan’ asa manana ny maha izy azy izany. Nisy ihany koa […]

Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina – FMTS: nomarihina ny Androm-pirenena ho an’ny kabary

Kolontsaina sady zavakanto anisan’ny nahitana fivelarana lehibe ny kabary malagasy. Iray amin’ireo manamarina izany ny nametrahana andro iray isan-taona ho an’ ity lahabolana am-bava ity. Notanterahina, omaly, teto Antananarivo ny hetsika ho fanamarihana ny tsingerintaona voalohany nampidirana ny kabary malagasy ho harem-bakoka tsy azo tsapain-tanana irai­san’ny zanak’olombelona. Fo­toana (taona 2022) […]