Maty rotiky ny balan’ny zandary, afakomaly, tao amin’ny distrikan’i Mandritsara ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Fidimaro na i Antilahintany. Dahalo gagilahy amin’ny halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana nokarohin’ny zandary hatry ny ela tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Antsirabe, distrikan’i Mandritsara ity maty voatifitra ity. Afakomaly maraina tamin’ny 9 ora, nampandre […]
Taratra
Fasana roa vaky: naparitak’ireo jiolahy ny lamban-drazana
Nitrangana vaky fasana sy halatra taolam-paty tao Antseva Centre sy Anosinjanamaka. Nampandrenesin’ny sefom-pokontany Antseva ny zana-tobim-paritry ny zandarimaria Antsapandrano, afakomaly, momba ny fisiana trangana vaky fasana ao amin’ity fokontany ity. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary, rehefa nojerena dia fasana roa no hita fa vaky. Fasana vaky voalohany, tao […]
Nangalatr’omby tao Mandoto: dahalo iray lavon’ny bala, karohina ireo namany
Maty voatifitra tao anaty sakoroka nandritra ny fifampitifirana teo aminy sy ny zandary ny iray tamin’ny dahalo nangalatr’omby tao Tsaramandroso Fiadanana, fokontany Ambohitrandriana, kaominina Vasiana, distrikan’i Mandoto, afakomaly. Dimy lahy, nirongo basy tao amin’io tanàna io ireto dahalo ireto. Mailo anefa ny fokonolona ka nampandre ny zandary. Niroso tamin’ny fanarahan-dia […]
Lasa ny 1 000 000 Ar: jiolahy nandroba Cash point, tratra teo am-pitsoahana
Nampiasainy vovon-tsakay, norombahin’ity jiolahy ny vola teny amin’ilay ramatoa mpiasa amina “cash-point” ary nikasa handositra izy taorian’io. Nofafazany vovo-tsakay ary nalainy ny vola, tra-tehaky ny fokonolona sy ny zandary ny jiolahy mpandroba Cash-point tao Ambohibao Ankadindravola, omaly. Renim-pianakaviana iray no lasibatr’ity lehilahy ity. Nandrasan’ io jiolahy io hirava teo amin’ny […]
« Mondial 2022 »: mpanara-maso 200 000 karamain’i Qatar
Amin’izao fandraisan’ny Qatar ny lalao lehibe iraisam-pirenena na ny « Mondial 2022 » izao, namoaka fepetra maro tao anaty tambajotran-tserasera izy ireo, omaly. Hampiatra lalàna miisa 10 ny Qatariana mandritran’ny fivahinian’ireo olona any amin’izy ireo, ka isan’izany ny fanakaramana ireo mpanara maso miisa roa hetsy, izay handrindra ny mpivahiny sy ny mponina. […]