Taratra

Akany Fitiavana : nisitraka vary 2 gony avy amin’ny kaominina Antananarivo

Nisitraka vary 2 gony ireo olona manana fahasembanana ao amin’ny Akany Fitia­vana, etsy Faliarivo Amba­nidia, ao amin’ny boriborintany faharoa, omaly. Nanolotra izany ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra. Mitaiza olona sembana sy zaza kamboty ny akany. Lehilahy 12 sy vehivavy 10, anelanelan’ny 14 hatramin’ny 54 taona izy ireo. “Fanome­zana avy […]

CUA, BNI, Axian : maro ny fotodrafitrasa nohavaozina

Fararanom-pitokanana omaly, ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Vita ary notokanana ny efitrano fitsaboana nasiam-panavaozana ao amin’ny to­bin’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana. Natolotra ihany koa ireo fitaovana vaovao izay ilaina amin’ny sehatry ny fahasalamana hampandehanana ny tobim-pahasalamana. Notokanana, omaly, koa ny tobim-pahasalamana ao amin’ ny tobin’ny vondrona […]

Kaominina Antananarivo : eny Ampefiloha Ambodirano ny hetsika ara-pahasalamana

Mitohy hatrany ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka karakarain’ny kaomi­nina Antananarivo Renivohitra. Anjaran’ny mponina eny Ampefiloha indray no misitraka izany. Nitsidika ny hetsika ny ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. Nanomboka ny talata ary hifarana anio ny hetsika ara-pahasalamana. Niom­pana tamin’ny fanentanana amin’ny fiarovan-tena sy ny tsy fanilikilihana ny olona voan’ny […]

INDRAY MIJERY

Mbola maro ny olona tsy salama manatona toeram-pitsaboana amin’izao fotoana izao voan’ny gripa, kohoka sy itrangan’ny aretin’ny taovam-pisefoana (IRA). Ratsy koa ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo ka mampirongatra ny aretina. Ny fako rahateo mivangongo isaky ny toby ka miteraka fofona sy lalitra be mitondra otrikaretina. Misy ireo sekoly tsy miankina […]