Taratra

Fizahantany 2024 : firenena tsara tsidihina i Madagasikara

Tafiditra anatin’ireo toerana tsara tsidihina mandritra ny taona 2024 i Madagasikara, araka ny tatitra navoakan’ny gazety boky Condé Nast Traveler. Toerana azo hijanonan’ireo sambo vaventy toa an’i Silversea, Lindblad, Swan Hellenic ary Seabourne ny firenena malagasy. Nanomana toerana vaovao azo tsidihina ihany koa ny Masoala forest Lodge sy Madagascar classic […]

FNE- 2023: hifampizara traikefa ny mpandraharaha

Fifanakalozana eo amin’ny mpandraharaha ahafahana miatrika ny fidangan’ny vidim-piainana ny fikaonandoha nasionaly ho an’ny mpandraharaha. Ao anatin’izay ny fampiroboroboana an’ireo orinasa madinika sy salantsalany. Mifototra amin’ny fifampizarana traikefa ata­on’ireo orinasa lehibe ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany ny fikaonandoha nasionaly ho an’ny mpandraharaha (forum national des entrepreneurs na FNE), an­diany […]

Mpanara-maso CEENA: “Miabo ny fizotran’ny fifidianana”

“Tena miabo ny fizotran’ny fifidianana”, hoy ny lehiben’ny mpanara-maso fifidianana iraisam-pirenena avy amin’ny Comite économique des Etats de l’Afrique Centrale” (CEENA), i Cyrille Ndemba, teny Tanjombato, omaly. Tamin’ireo birao fandatsaham-bato notsidihan’izy ireo, hita fa ara-dalàna ary tsara ny fizotran’ny fifidianana. Na izany aza, nomarihiny ny tsy fisian’ny delegen’ny antoko politika amin’ny fanaraha-maso ny fifididiana. […]

UJ- CEMAC: “Tontosa araka ny fenitra ny fifidianana”

Nanatanteraka fanambarana voalohany, vokatry ny fanaraha-maso nataony, nandritra ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena malagasy, ny mpanara-maso fifidianana, avy amin’ny “Union-Jeunesse de la comunauté economique et monétaire de l’Afrique Cen­trale” na UJ-CEMAC, omaly, teny amin’ny Tometal Maha­masina. “Nizotra araka ny fenitra iraisam-pirenena sy araka ny napetraky ny fanjakana malagasy ny […]