Tsy mandry andro, tsy mandry alina ireo mponina any amin’ny distrikan’i Mandoto ankehitriny noho ny halatra omby sy asa fandrobana ataon’ny dahalo any an-toerana. Niverina nahazo vahana ny tranga tsy fandriampahalemana any an-toerana tao anatin’ny telo volana farany, raha ny tatitra voaray tamin’ny mpianatra sy ny ben’ny Tanàna any an-toerana. […]
Taratra
Taolagnaro sy Toamasina: sambo lehibe 2 mivahiny eto Madagasikara
Migadona ao Taolagnaro ilay sambo vaventy mitondra mpizahatany maro, vascoda Gama. Mahatratra 510 ireo teratany vahiny entin’ity sambo ity hisitraka ny hatsaran’ny tanàna ao Taolagnaro. Teratany alemà ny ankamaroan’izy ireo. Mandritra ny fivahinianan’ity sambo lehibe ity dia hanjifa ny tolotra rehetra ao an-toerana ireo mpizahatany. Fanararaotra amin’ny sehatry ny fizahantany […]
Marovoay : Manao fandrindram-piterahana avokoa ny zatovovavy
Tovovavy efatra, 16 ka hatramin’ny 19 taona, samy monina ao Marovoay an-tampon-tanàna no nanambara fa efa manao fandrindram-piterahana, amin’izao fotoana izao. Mbola mpianatra avokoa izy efatra mirahavavy, araka ny fanadihadiana natao tany an-toerana. Santionany anatin’ny maro ireo azo itarafana ny zava-misy ao anatin’ny kaominina. 17 taona no nitondra vohoka i […]
Fandrindram-piterahana : mahasarika ny fomba miaro maharitra
Ny taona 2020 no nanomboka niasa mitety trano i rasazy Sarah Damo Hanitriniaina, SPO (rasazy mandeha irery) rehefa voaray niasa tao amin’ny Marie Stopes Madagascar, manentana ny olona amin’ny fandrindram-piterahana maimaimpoana. Tamin’ny voalohany, efa zatra tsindrona ny olona ka sarotra ny nanentanana azy ireo amin’ny fanafody fanabeazana aizana implanon asisika […]
Zo fototra ny fisitrahana fanabeazana : 40 amin’ny ankizy 100 tsy mahavita ny ambaratonga voalohany
Nomarihina tamin’ny fampirantiana sary 30 eny amin’ny La City Ivandry, ny andro maneran-tany ho an’ny ankizy, omaly. Maneho ny olana amin’ny fahazoan-drano vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, ny fanabeazana… sy ny asa ataon’ny Unicef hampivoarana ny zon’ny ankizy ny sary rehetra. Anisan’ny tolo-kevitra naroson’ny vaomiera iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy ny […]




