Taratra

Masoivohon’i Chine: Sekoly 4 tohanana ara-pitaovana

Nitsidika ireo sekoly miara-miasa aminy ny masoivoho sinoa ny herinandro teo. An­isan’izany ny CEG sy Lycée tany Fianarantsoa, Toamasina ary Antananarivo. Nidina ifotony nijery mi­vantana ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana izao amin’ireo toeram-pampianarana efatra (CEG roa sy lycée roa) izy ireo. Folo taona no nanorenana ny fotodrafitrasa ary nisy ny […]

INDRAY MIJERY

Mitohy mandritra ny 15 andro ny fanadiovana ireo lakandrano eny anivon’ny fokontany, voakasiky ny tetikasa Himo. Natomboka teny amin’ny fokontany An­dra­voa­hangy tsena izany tamin’ity herinandro ity. Entanina hatrany ny mponina hanary ireo fako eny amin’ny toerana voatokana amin’izany. Ny Antenimieran’ny tanora mampiasa sy miteny frantsay dia miantso ny tanora amin’ny […]

Valanaretona Pesta : Valo namoy ny ainy, telo naiditra hopitaly

Anatin’ny vanim-potoan’ny pesta ny eto Mada­gasikara. Tranga nampivarahontsana no niseho tao amin’ny kaominina Ankazovelo.Valo no maty, telo mbola manaraka fitsaboana. Misy trangan’aretina pesta ao amin’ny fokontany Ankazomanga, Voanagna ary Manatotsikora, samy ao amin’ny kaominina Ankazovelo, araka ny antso avy any Ankazovelo, ny 14 novambra lasa teo. Nidina tany an-toerana ny […]

TARATRY ny KANTO

«Malagasy mankany», etsy amin’ny IKM Antsahavola. Halefa anio indray, manomboka amin’ ny roa ora ity sarimihetsika malagasy notontosain’i Hamy Ratovo ity. Arahina adihevitra izany, hotarihin’i Aina Randrianatoandro, mpankafy sy mpitsikera sarimihe­tsika. Ho avy eo, hamaly ny fanontanian’izay liana amin’izany koa ny mpanatontosa. «Maimbo Olombelona». Ny angano «Maimbo Olombelona» sy ny […]

«Carte Blanche» : mpahay kanto valo manatontosa ny hetsika

Tanterahina eny Ankatso, hatramin’ny 24 novambra 2023, ny fampirantiana «Carte Blanche». Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fahafolo taonan’ny ADMC-CRAAM, eny amin’ny Oni­versite Ankatso. Sary pika sy hosodoko ary haikanto plastika no mandravaka izany fampirantiana izany. Malagasy mpahay kanto miisa 8 no miara-misalahy manatontosa ity hetsika ity. Raha tsiahivina, tanjona […]