Taratra

VKLM : hampandany ny kandidà Rajoelina Andry

Nanao fanambarana fanohanana ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, ny Vondrona laika kristianina mikatroka (VKLM), omaly, tetsy Antaninarenina. Nam­bar­­an’ny mpandrindra izany eo anivon’ny distrika Anta­nimena, Randriamiaramisaina Mirantsoa fa tokony hiomana amin’ny hiatrehana ny fifidianana ny rehetra. “Aoka isika handray anjara mavitrika fa adidy masina ho an’ny tanindrazana izany. Aoka tsy […]

Fikaroham-bahaolana “Ady gasy”: miantso vavaka sy tsy fifampihantsiana ny FFKM

Nambaran’ny eo anivon’ny FFKM omaly, tetsy Ampandrana fa efa miroso amin’ny fiantsoana ireo ankolafin-kery maro samihafa izy ireo izao. Na izany aza, nanao antso avo ireo filoham-piangonana manoloana izao raharaham-pirenena izao. Nambaran’ny filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako, fa mitohy ny fampihaonana ireo ankolafin-kery. “Vahao­lana malagasy , hamahana ny olana […]

Depiote Henri Jean-Michel : “Fifidianana ihany no hahazoana mitondra”

“Amin’ny zava-misy amin’izao, fifidianana ihany no ahazoana mitondra ny firenena. Satria ny vahoaka no masi-mandidy eto amin’ny firenena. Izy no mifidy izay olona hitantana azy”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote IRD voafidy tany Ambovombe, i Henri Jean-Michel, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy ilain’ny firenena intsony ny korontana, tsy […]

TMH: “Aoka isika vahoaka tsy ho voarebireby”

Nampahafantatra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena, omaly, ny solontenan’ireo mpikambana eo anivon’ny Tanora miandrandra ny hoavy (TMH), manerana ny Nosy, tetsy Antanimena. Nohitsin’izy ireo fa aleo handeha ny fifidianana. “Aoka isika vahoaka tsy ho voarebirebin’ny mpanao politika. Tahotra ny fifidianana an’ireo kandidà sasany ireo”, hoy ny filoha nasionaly, Rafidima­nana Désiré. […]

Andrianarisedo Dama Arsène : “Tsy misy fiantraikany amin’ny asan’ ny Ceni na iza filoham-panjakana eo”

Ahian’ny mpanao politika na ny kandidà sasany hiandany amin’ny fikarakarana fifidianana ny governemanta ifarimbonana. Na iza na iza filoham-panjakana misolo toerana eo, tsy misy fiantraikany amin’ny asan’ny Ceni, raha ny fijerin’ny filohany. Fanazavana. “Na iza na iza filoham-panjakana misolo toerana eo sy voatendry hanao an’izany andraikitra izany, tsy misy fiantraikany […]