Namoaka fanambarana hentitra ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo. Nohelohin’izy ireo tamin’izany ny fihetsiky ny fanjakan’i Eswatini. «Manameloka tanteraka ny fandraisana ofisialy nataon’ny fanjakan’i Eswatini (Swaziland) ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, efa nesorina teo amin’ny fahefana ny fitondram-panjakana malagasy », hoy ny fanambarana. […]
Taratra
Telo lahy nodorana velona: Nosamborin’ny zandary ilay vehivavy
Nosamborin’ny zandary omaly ilay vehivavy nandoro ireo telolahy tany Tsarahonenana Sahivotry, kaominin’i Soanindrariny, distrikan’Antsirabe II, ny alarobia lasa teo. Namoy ny ainy daholo izy ireo, raha ny tatitra voaray tany an-toerana. Ahina ho tompon’antoka tamin’ny famonoana vehivavy iray bevohoka, hita faty tao an-tanànan’i Tsarahonenana, fokontany Sahanivotry, Soanindrariny izy ireo. Nolazaina […]
Minisiteran’ny Atitany: May ny rihana fahafito sy fahavalo
May kilan’ny afo ny rihana fahafito sy fahavalo eo anivon’ny biraon’ny minisiteran’ny atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, etsy Anosy, ny sabotsy, tokony tamin’ny 12 ora atoandro teo. Niainga tao amin’ny rihana fahafito ny afo. Niitatra haingana izany noho ny fitsokan’ny rivotra ka nahazo ireo efitra sy rihana hafa, raha ny fanazavana […]
Ankadilalana : Manamboninahitra iray maty voafaokan’ny fiara
Matin’ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy Ankadilalana Mahamasina, ny manamboninahitra iray eo anivon’ny Tafika Malagasy, ny sabotsy lasa teo. Fiara, mpitatitra mpiasa, tapaka hisatra no nahatonga ny loza. Namoy ny ainy teny amin’ ny hopitaly ny manamboninahitra iray eo anivon’ny Tafika Malagasy‚ Lietnà Tsarazarabe Anicet Crescent‚ 26 taona, afakomaly sabotsy. Izay […]
« Spass Gasy 2026 » : Fihaonamben’ny Malagasy any Allemagne
Raha manana ny « RNS » ny ao France, efa hiditra amin’ny andiany fahefatra ihany koa ny « Spass Gass » amin’ity. Fihaonamben’ireo Malagasy any Allemagne ity hetsika ity, izay hotontosaina ny 23 sy 24 mey izao, any Bonn. Fihaonana ara-kolontsaina sy fanantanjahantena no hatao mandritra izany, raha ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny […]




