Lehilahy sy vehivavy roa voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, afakomaly. Nitokisan’ny mpampiasa azy nandritra ny telo taona io lehilahy io. Nahatsapa fahabangan’ny entana tao an-trano anefa ny tompon-trano. Nihena tsikelikely ireo fitaovana tao an-tokantrano. Nanjavona hatramin’ny kidoro sy lovia. Nampiahiahy azy rahateo ny fihetsik’io lehilahy mpiasa tao […]
Taratra
Ambodin’Isotry: Lehilahy iray tratra nanao sinto-mahery
Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaomisaria Isotry, ny lehilahy iray 23 taona, afakomaly tamin’ny 7 ora sy 45 minitra. Tratra nanao sinto-mahery findain’olona teo akaikin’ny Bazar-Ma Ambodin’Isotry izy io. Efa nisy polisy nanao fanamiana sivily nanara-maso teny amin’ny manodidina ka nahafahana nisambotra ity farany. Nisy olona lasibatry ny […]
Mpaka an-keriny telo voatifitra: Tra-tehaka ny basy AKM sy poleta iray
Nifampitifitra ny zandary sy ny mpaka an-keriny, afakomaly alina. Maty ny jiolahy telo ka vehivavy ny iray. Tra-tehaka ihany koa ny basy mahery vaika marika AKM sy bala enina, niampy potela iray. Vehivavy iray sy dahalo roa samy lavon’ny balan’ny zandarimaria nandritra ny fifanjevoana tao amin’ny fokontany Ambatobe, kaominina Soalazaina, […]
Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina: “Aoka ny mpanao gazety ho sarotiny amin’ny asany”
Notanterahina tany Morondava ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Nanatrika izany ny minisitra Volamiranty Mara Donna. Nanafatrafatra ny mpisehatra amin’ny asa fanaovan-gazety ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Volamiranty Mara Donna, afakomaly, tany Morondava . “Aoka mba ho saropiaro amin’ny asantsika isika. Tsy hamela na […]
VAOVAO TAMBATRA
Hotanterahina eny amin’ny MPE Nanisana, ny alakamisy ka hatramin’ny alahady ho avy izao ny Tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana (FEPA), andiany faha-17. Hetsika fampirantiana sy varotra ho fampiroboroboana ny vokatra eto an-toerana. Maherin’ny 130 ireo tranoheva hanehoan’ny mpandray anjara ny vokany. Haverina ny Fihariana akondro eto Madagasikara. Apetraka ao Brickaville […]